· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Janoary, 2019

Lesona momba ny fanaratsiana: Blaogera avy ao Afrika Atsimo enjehina ho nanoso-potaka

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny nanoratan'i Donn Edwards, Afrikana Tatsimo iray, teo amin'ny blaoginy momba ireo tetika fanaovana varotra mampiahiahy an'ilay orinasa antsoina hoe Quality Vacation Club, nenjehina araka ny lalàna izy hoe nanao fanalàm-baraka. Nadika ho toy ny raharaha manohitra an'ireo blaogera rehetra ao Afrika Atsimo izany ka dia natomboka ny anentanana iray ho fanohanana azy, sy vondrona iray tao amin'ny Facebook ary ampolony mahery ireo blaogera ampolony no nanoratra mikasika tranga io. Ho an'ireo blaogera, indreto lesona vitsivitsy mikasika ny fanaratsiana sy fanalambaràka.

Ejipta: ny herin'ny vondrona sy ny hetsika amin'ny Facebook

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao elektronika mavitrika sy mandroso ao Ejipta, dia nanjary nampiasain'ny Ejipsiana marobe ny Facebook noho ny antony maro samihafa sy imbetsaka, indrindra rehefa hamolavola ny hevitry ny vahoaka manohitra ny governemanta Ejipsiana.

Ejipta: Lavina ny fandraofana tsy ara-dalàna ireo fitaovan'olona manokana

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Ny 30 Jona 2009, notanan'ireo mpitandro filaminana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Cairo ilay bilaogera, Wael Abbas,  izay manoratra matetika ny tranga fampijaliana sy ny fanararaotana ataon'ny polisy any Ejipta. Natao fikarohana ihany koa Atoa. Abbas ary nalain'ny polisy an-keriny ny solosaina findainy sy ny fananany hafa.

Ny aterineto sy ny tolona ho an'ny fahalalaham-pitenenana iharan'ny famoretan'ny fitondrana

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanatrika ny seminera ara-pikarohana momba ny Media Nomerika ao anaty fitondram-panjakana mpamoritra i Sami Ben Gharbia tany Copenhagen ny 10-11 Novambra 2008, izay mitondra ny lohateny hoe Tontolom-bahoaka, fandraisana andraikitra sivily ary fanentanana ara-politika (Pdf) izay nokarakarain'ny Ivontoerana Danoà misahana...

Fihaonan'ireo bilaogera Arabo faharoa

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

Vao haingana, ny bilaogy no loha-laharana amin'ny fanentanana ara-politika sy fikatrohana manerana ny tontolo Arabo. Ahitana ny forum ho an'ny daholobe izay manampy ny olom-pirenena hampihatra sy hanamafy ny zon'izy ireo amin'ny fahalalaham-pitenenana ary manamafy ny fahaizan'izy ireo miady hevitra sy manadihady.

Mihodidina ny lapam-panjakana Toniziana ny lahatsarin'ny zon'olombelona

GV Mpisolovava  10 Janoary 2019

Nosakanan'i Tonizia ny fidirana amin'ny habaka roa malaza amin'ny fifampizarana lahatsary, dia ny Youtube sy ny Dailymotion mba isorohana amin'ny fidiran'ny Toniziana mpiserasera tsy hijery votoatin-dahatsary manasongadina fijoroana vavolombelona avy amin'ny gadra politika sy ny mpikatroky ny zon'olombelona.