Tantara mikasika ny Fidirana
Voasakana any Gambia ny Chat Viber?
Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.
Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela
Androany alakamisy maraina, nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.
Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana
Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Karatra SIM Roa tapitrisa Novonoina Tao Zambia
Miatrika olana ankehitriny ireo Zambiana tsy nahavita nanoratra ny karatra SIM amin'ny anarany -- milaza ireo mpanao gazety sy ireo mpitarika antoko mpanohitra fa fanitsakitsahana ny fianana manokana sy ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera ilay famonoana karatra.
Na Tsy Betsaka Aza Ny Fampiasana Ny Aterineto, Sakanan'i Borondi Ny Viber Sy Ny WhatsApp
Latsaky ny 2% amin'ireo mponina miisa 10,2 tapitrisa ao Borondi no mampiasa Aterineto. Nefa nosakanan'ny governemanta ny Viber sy ny WhatsApp tamin'ity herinandro ity, tao anatin'ireo fihetsiketsehana.
Maninona raha hampifanarahana eo an-toerana ny resaka teknolojia
Manomboka amin'ny WhatsApp hatramin'ny Instagram, nitondra zava-baovao mahaliana ny fivoaran'ny teknolojia. Na dia izany aza, niteraka ilay nomena anarana hoe "hantsana nomerika" ny toetry ny teknolojia tsy mitsaha-mivoatra.
Gazetikely isambolana, vondrom-piarahamonina an-tambajotra sy fidirana amin'ny aterineto – laharana faha-8
Ampahany amin'ny tetikasa antsoina hoe, ''Fidirana amin'ny Aterineto Eo an-Toerana: Afaka mifandray izy samy izy ve ireo tsy mifandray?'' izay noforonin'ny APC niarahany tamin'ny Internet Society sy ny Rhizomática ity gazetikely ity.
Ny lalana nizoran'ny vondrom-piarahamonina miditra aterineto: Avy any amin'ny telecentres nankany amin'ny tambajotram-piarahamonina
"Raha mieritreritra ny hoavy aho dia mihevitra fa raha afa-manasaratsaraka tsara ireo tambajotra ireo araka ny tokony ho izy isika, dia hahita tambajotra maro hofehezim-bahoaka.”
Tatitry ny Vondrom-Piarahamonina Momba ny Vovonan'ny Fahazoan'ny Tompotany Miserasera
Zarainay ny famoahana indray ny tatitry ny Fehin-kevitra Tanterahan'ny vondrom-piarahamonina Internet Society izay manasongadina ny Vovonan'ny Fahafahan'ny Tompotany Miserasera. Misy rohy ato raha te-hamaky ny tatitra feno.
Netizen Report: Afaka Matoky Ny Facebook Ve Ny Tibetàna?
Mitohy ny fanivànana media sosialy ao Shina, ary Bosnia sy Herzegovina mamerina mamaritra ny atao hoe "kianjam-bahoaka", ary lavin'i Angletera valifaty noho ny resa-betaveta.