Tantara mikasika ny Fidirana tamin'ny Avrily, 2019
Ao amin'ny Saikinosin'i Sinai ao Ejipta, Tsy Mitsahatra Ireo Fahatapahan'ny Aterineto
Satria nahatonga ireo mponina maro ho tsy tafiditra amin'ny Aterineto sy ny tolotra an-tariby intsony ny fampidirana ny Avaratr'i Sinai ambany fitantanan'ny tafika, miara-miasa ny mponina sasany mba hanenjehana eny amin'ny fitsaràna ireo mpamatsy tolotra an-tariby ary mangataka fiantohana tolotra.
“Tsy afa-mipetraka sy miandry fotsiny izahay…”
Nasongadina manokana ny fijery lahyvavy tamin'ny fananganana ireo tambajotram-piarahamonina, ka nandray anjara mavitrika hatrany amin'ny fiandohana ireo vehivavy avy amin'ny vondrom-piarahamonina
Voasakana any Gambia ny Chat Viber?
Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.
Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela
Androany alakamisy maraina, nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.
Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana
Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.