Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa tamin'ny Desambra, 2010

Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

  08 Desambra 2010

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.