Tantara mikasika ny Feo voarahona

Etiopiana Mpanao Gazety Mihantsy Ny Lalàna Hiadiana Amin'ny Fampihorohoroana

GV Mpisolovava  17 Novambra 2013

Nametraka fitoriana mikasika an'i Etiopia any amin'ny Kaomisiona afrikana miaro ny Maha-olona sy ny Zon'ny Vahoaka, ireo mpanao gazety anaty aterineto tsy miankina roa. Nitsangana izy ireo hanohitra ny fandikàna vilana ataon'ny fanjakana mikasika ny lalàna hiadiana amin'ny fampihorohoroana izay toa natao hanafoanana ny fahalalahana haneho hevitra.

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

GV Mpisolovava  10 Mey 2013

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny...