Tantara mikasika ny Ny Tetezana - The Bridge tamin'ny Desambra, 2022
Fiatrehana ny endrika miovaovan'ny Twitter sy ny tontolo vao mipongatr'ireo media sôsialy
Miaraka amin'ny fitontonganan'ny Twitter, tsy eo ny sehatra sôsialy azo antoka sy misy fotokevitra ijoroana, izay niteraka fahabangàna sy fanararaotra ho an'ireo sehatra vao mipongatra toy ny Mastodon, manana loharano misokatra
Miteny espaniola i Messi sa “Argentine”?
Mifantoka amin'ny "fiakanakan'i" Lionel Messi, mamerina ny Amerikanina ho toy ny zaza tamin'ny fanjanahantany.
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra: ny fanantenana ao Iràna anatin'ny vanimpotoana sarotra
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra ara-politika nahazo loka sady mpikatroka mafàna fo, manolotra ny heviny momba ny faharetan'ny vahoaka Iraniàna mandritra ny hetsipanoherana misy amin'izao fotoana izao sy ny toeran'ny sariitatra ara-politika ao anivon'ireo endrika hafan'ny fanehoankevitra.
Maninona no tsy misy iraharahàn'i Amerika Atsimo ireo olan'ny kolikoly tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany?
Fandalinana fohy maneho hoe mitatitra be kokoa momba ny kolikoly sy ny zon'olombelona ao Qatar ireo media Tavaratra, fa tsy toy izany kosa ny media avy any Amerika Atsimo
Fahatakarana ny voka-dratsin'ny fampielezankevitra Rosiàna manohitra ny OTAN sy Kosovo
"Tena manimba sy mampidi-doza ny fiparitahan'ity vaovao diso ity any amin'ireo firenena izay tsy dia misy fahalalana firy mikasika ny raharahan'i Kôsôvô."
Ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo, nataon'ny fianakaviana Gupta: lesona momba ny hery pôlitika miasa mangina
Niteraka ampahany manankarena tafahoatra ao anatin'ny fiarahamonina ny fitomboan'ny tsy fitoviana sy ny harena tsy voafehy. Miaraka amin'io vola io ny hery miasa mangina (dindo) mety hitera-doza ho an'ny fahitsian'ny pôlitika anatiny sy ny fiandrianam-pirenena.
Charles Norris-Brown sy ny fitiavany an'i Nepal, ireo tigra sy ny fiarovana – Fanomezam-boninahitra iray
Bokin'i Charles Norris-Brown "Did Tiger Take the Rain?" dia mampiseho ny mahazava-dehibe ny fiarovana. Nanoratra boky iray hafa izy mikasika ireo tigra sy ny fiarovana, saingy maty tampoka tamin'ny 19 Oktobra.