Tantara mikasika ny Ny Tetezana - The Bridge tamin'ny Jolay, 2021
Ny mampiavaka an'i LeRoy Clarke, mpanakanto kintan'i Trinidad & Tobago maty tamin'ity herinandro ity
"Ny kanto maha-LeRoy Clarke dia taranja iray, novolavolain'ilay mpanakanto iray naka aingampanahy no sady napararetran'ny fiarahamonina izay nanorotoro ny zavakantony tao anatin'ny fisiana."
Mihoatra lavitra noho ny fanalàna ny fahirano amerikàna no tadiavin'ireo Kiobàna
"Sahiko ny milaza fa miatrika ny olana ratsy indrindra tao anatin'ny tantarany i Kiobà izao, lasa olana amin'ny maha-olombelona tsy misy hafa amin'ilay nodiavin'i Venezoelà tato anatin'ny taona vitsivitsy."
Merkel, Macron sa Biden? Tsia, i Shina no itokian'i Amerika Latina amin'ny resaka vaksiny
"Shina irery ihany no nanampy an'i Amerika Latina ary manomboka mandihy amin'ny gadona apetrak'i Shina daholo ireo firenena aty amin'ny faritra, tsy noho ny ideôlôjia iraisany fa noho ny faniriana hamahàna olana iray tsy mbola nisy toa azy."
Avy ao Kiobà, nampiasàna VPN
Lesona azo tamin'ireo hetsipanoherana, “Tonga saina tamin'ny zavatra mitranga aho ary avy hatrany dia nihevitra fa, afaka minitra vitsy, mety ho tapaka ny tolotra aterineto eto Kiobà, na raha kely indrindra dia ny ao San Antonio de los Baños.”