Tantara mikasika ny Ny Tetezana - The Bridge tamin'ny Aogositra, 2016
Ahmad Abughaush, Jordaniana Nahazo Medaly Volamena, Ary Ny Famafàna ny Maha-Palestiniana
Ho an'ireo izay mahafantatra ny tantaran'ny Palestina, milaza zavatra maro ny anaran'i Ahmad Abughaush. Kanefa izany dia tsy hita ao amin'ny vaovao mitatitra ny nahazoany medaly volamena tamin'ny Lalao Olympika 2016.
Ahoana Ny Fomba Hanazavan'ny Tantaran'ny Zika Ao Pôrtô Rikô Ny Fanjanahan'i Etazonia
Manohy miasa, mitia, mivelona, sy miady tsy amin'ny otrik'aretina Zika ihany ny olona fa amin'ny zavatra maro izay mandrava kokoa: ny 100 taona maherin'ny fanjanahan-tany sy ny voka-datsiny marobe.
Politika Amerikana? Tsia, Misaotra. Voatabia Omena
Mampihomehy ny fiovan'ny fahatsapana tsiro.
Maty Tamin'ny Fipoahana Baomba Tao Quetta, Mpanonofy Sy Ny Tsara Indrindra Tany Pakistana i Mehmood Khan
Fahaverezana goavana ny fahafatesan'i Mehmood tamin'ilay fipoahana baomba tao amin'ny hopitalin'i Quetta. Nampian'ny indostrian'ny media izy hiova tamin'ny maha-mpiambina azy ho lasa mpiasan'ny media ampy traikefa.
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria
Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.