Tantara mikasika ny Ny Tetezana - The Bridge tamin'ny Jolay, 2014
Mitolona Hahazo Ny “Fo amam-Panahy” i Israëly Ao anatin'ny Ady An-tserasera Momba An'i Palestina
Mitarika ny adin'ny teny momba an'i Palestina ilay Israelina manampahaizana manokana momba ny tetikady ety anaty media sosialy, Niv Calderon. “Misy ady iray atao amin'ny media, ary ny olom-pirenena tsirairay, ny solosaina tsirairay, dia miaramila avokoa", hoy izy
Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”
Efa ho iray volana izao no nitazonan'ny manampahefana Tajik tsy ara-drariny an'i Alexander Sodiqov avy ato amin'ny Global Voices ho manao asam-pitsikilovana. Tokony hampanahy ny Rosiana koa ity "santatra Tajik" ity, araka ny fandresen-dahatra nataon'ilay mpanoratra gazety Igor Rotar.
Antontan-taratasy Tafaporitsaka Mamafy Aloka Momba Ny Hoavin'ny Fitrandrahana Entona Fandrehitra Ao Tanzania
Tafaporitsaka ho hitan'ny besinimaro, fifanarahana iray fifampizaràna famokarana entona governemanta Tanzaniana sy ny "Statoil" orinasa maro rantsana avy any Norvezy, no manasongadina ny hoe lasa resaka manohintohina ny resaka fidiram-bola avy amin'ny toeram-pitrandrahana entona ao Tanzania—sy ny hoe iza no mahazo tombontsoa amin'izy ireny.