Tantara mikasika ny fijoroana vavolombelona tamin'ny Jolay, 2019
Ny mpanolotsaiko tato amin'ny Global Voices: Preetam Rai
Ny mba havitrika ivelan'ny sehatra an-tserasera ary hiseho sehatra amin'ny lanonana eo an-toerana sy iraisampirenena no toro-hevitro ho an'ny mpandray anjara ato amin'ny GV - Heveriko fa tsy fahita firy sady tsy manan-tsahala ny fahafantarana ny kolontsaina ao an-toerana izay hananantsika amin'ny maha mpikambana ato amin'ny GV antsika.
Fitiavana sy labiera
Lehibe tamin'ny toerana azo antoka aho. Tanàna mangina 15km miala ao Paris, Nanana herinaratra sy rano fisotro 24/7 izahay, Sakafo anaty vata fampangatsiahana, Hafanana amin'ny ririnina sy hena atono ao an-jaridaina mandritra ny lohataona. Nisy foana izany rehetra izany. Tamin'ny taona 1995, tamin'izaho 12 taona, nisy fanafihana tao amin'ny metro.