Tantara mikasika ny RV any ejipta tamin'ny Aogositra, 2018
Sary avy amin'ny Mokattam Blog Tales

Indro ny tohin'ny andian-dahatsary misy fizarana telo notontosain'ilay Egyptiana mpanatontosa sarimihetsika Mahmoud Saber, izay mijery akaiky ny tetikasa tsirairay ao anatin'ny hetsika Rising Voices tany Egypta. Manasongadina ny tetikasa Mokattam Blog Tales ity lahatsary ity.
Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales

Mpandrindra ny tetikasa Mokattam Blog Tales i Nesma Gewily ao amin'ny Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta, manodidina an'i Kairo, Egypta. Ato amin'ity tantara ity, manoritsoritra momba ny tetikasa i Nesma, niaraka tamin'ny fiara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar izay hampianatra ny... fampiasana ny fitaovan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Fampahafantarana ny “Vehivavin'i Minya isan'andro”

Tetikasa vaovao indrindra ao amin'ny New Women Foundation (Orina Mpanasoa ho an'ny Vehivavy Olom-baovao) any Kairo ny vehivavin'i Minya isan'andro. Nanome atrikasa ho an'ny vehivavy monina sy miasa any El Minya any amin'ny 250 km eo atsimon'ny renivohitra i Nevine Ebeid sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny ekipan'ny Orina Mpanasoa.