Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Mey, 2017
Nyetflix Sy Ny Dill: Nosoniavin'i Potinina ny Lalàna Mifehy ny Tolotra Fandefasana Sarimihetsika Vahiny An-tserasera Mivantana
Mitovy kokoa amin'ny Netflix sy ny chill ny Nyetflix sy ny dill ao Rosia rehefa nanasonia ho lalàna ny volavolan-dalàna izay mametra ny fidiran'ny mpamatsy tolotra fandefasana horonantsary mivantana vahiny amin'ny tsenan'ny Rosiana i Vladimir Potinina .
WeChat? Tsy Ao Rosia.
Nakaton'ny mpanao fanampenam-bava federaly ao Rosia ny WeChat, fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday lehibe indrindra avy ao Shina. Araka ny filazan'ny Roskomnadzor, tsy nahavita nisoratra anarana tao amin'ny governemanta federaly ho "mpandrindra ny fanapariahana vaovao" ny WeChat.
Avelao Izahay Hitsifitra : Tonga Any Rosia Ny Graffiti Ortodoksa
Mazàna tsy miaraka ny Eglizy Ortodoksa Rosiana sy ny zavakanto an-dalambe , kanefa nanaporofo ny zavatra naningana tamin'izany fomba fijery izany ny fiaraha-miasa vao haingana teo amin'ny mpanakanto an-dalambe sy ny Pretra any amin'ny faritany iray.
Fantaro ny Fiainan'ny Vaoty, Vondrom-poko Iray Andalam-panjavonana Ao Rosia
Olona ampolony monja ny Vaoty, miaina ivelan'i St. Petersburg ny vondrom-piarahamonina Vaody lehibe indrindra. Nifampireska tamin'ireo taranaka Vaody sasany sisa mbola velona i Victoria Vziatysheva.
Aza Taitaitra Foana : Natao Hanampiana Ny Rosiana Ity ‘Bokotra Mena’ Ity
Mety tsara ny fandaharam-potoanan'ny fampiasa satria toa hita miverina indray eo amin'ny fiainam-bahoaka ao Rosia ny hetsi-panoherana ara-politika, ary nahazo mpisera maherin'ny 4.000 amin'ny iOS sy Android izany tao anatin'ny andro vitsivitsy voalohany nanombohany.
Ivontoerana Rosiana Fanohanana Ara-tsaina, Namingavinga sy Nandroaka Pelaka Niantso ny Laharany
Tandremo rehefa miantso ny laharan'ny “FROG,” ivontoerana iray fanohanana ara-tsaina ao St. Petersburg; mety mila fanohanana bebe kokoa noho izay nilainao talohan'ny nandraisanao ny telefaona ianao aorian'ny antso ataonao.
Matahotra i Kremlin Fa Mampitombo Kokoa Ny Lazan'ireo Lehiben'ny Mpanohitra ny Fanafihana Azy Ireo
Andro vitsy taorian'ny nanondrahana indray tamin'ny zava-maitso mamono otrikaretina ny lehiben'ny mpanohitra sady kandidà filoham-pirenena Alexei Navalny tamin'izy handeha hamonjy lanonana tany Moskoa, nitatitra ny tranonkalam-baovao Gazeta.ru fa nanome toro-lalana ho an'ireo manampahefan'ny faritra i Kremlin mba hanasazy ny fanafihana tahaka izany amin'ny manaraka.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...