Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Avrily, 2017
Mikomy Ny Tanora Rosiana
Nankahery ny fanentanana amin'ny ady amin'ny kolikoly ataon'i Alexey Navalny tamin'ny fandrisihina ireo mpanabe any an-dakilasy sy fizaràna ny sarin'ireo mpampianatra sy mpitantana miezaka mamoky ireo mpianatra amin'ny hevitra manohitra hetsika ara-politika ireo tanora Rosiana.
Rosia: Sambany Misy Fampiharana Vahiny Natao Fampitàn-kafatra Nampidiriny Ho Ao Anatin'ny Firaiketana Federaly

Sambany hatramin'izay, no nampidiran'ny Roskomnadzor, ilay mpanivana federaly ao Rosia, fampiharana fampitàn-kafatra avy any ivelany ao amin'ny aterineto ho ao amin'ny " firaketana ireo fandrindràna sy fandefasana vaovaony", ny orinasa Soisa Threema.
31 Taona Aty Aoriana, Niverina ny Hazavana Ao Chernobyl
Tamin'ny herinandro lasa, nisy andianà poloney mpandehandeha nanapaka hevitra ny handrehitra indray ireo jiro ao Pripyat, tanana haolo any amin'ny efatra kilaometatra mahery miala ny vondrom-pihary herinaratra ao Chernobyl
Maha-Aro ny Mpanao gazety Manoloana ny ‘ISIS An-Tanindrazana’ ao Chechnya Ve I Rosia?
Nilaza i Alexey Venediktov, iray amin'ireo mpanao gazety fanta-daza indrindra ao Rosia , fa toa mamela ny "ISIS an-tanindrazana" hipongatra ao Chechnya ny governemanta Rosiana .
Voalaza fa Miketrika Fampielezankevitra Fota-Mandrevo Goavana Handetehana ilay Goavana Indrindra Mpanakiana an'i Poutine i Kremlin
Taorian'ny nandraisany indray ny fifehezana ny politika Rosiana, voalaza fa nanapaka hevitra ny ao Kremlin ny hanao fampielezankevitra fota-mandrevo handotoana an'i Alexey Navalny, ilay mpitarika ny fanoherana. Ary hanomboka tsy ho ela izy io.
Hetsiky ny Ben'ny Tanàna Rosiana Teo Aloha mba Hamorona Fampirantiana Kanto ‘Poutine–Maherifo’
Ben'ny tanàna teo aloha nahiliky ny iray amin'ireo namana akaikin'i Vladimir Poutine ankehitriny no mieritreritra ny hanangona vola mba hananganana tranombakoka iray antsoina hoe “Poutine-Maherifo.”
Nanakana Ny Zello Fampiasa Talkie-Walkie I Rosia Rehefa Nitokona Ny Mpamily Kamiao
Nanambara drafitra hanakanana ny Zello ny mpandrindra ny fampitam-baovao ao Rosia ny alatsinainy teo, fampiasa push-to-talk [tsindrio iresahana] iray amin'ny finday, izay nampiasain'ny mpamily kamiao manao dia lavitra ao Rosia mba handaminana ny hetsi-panoherana tato anatin'ny volana, anisan'izany ny fikarakarana ny fitokonana mandritra ny telo herinandro.
Miverina Indray Ny Politikan'ny Astroturf Rosiana
Talohan'ny namoahana an'i Alexey Navalny tany am-ponja tamin'ny Alatsinainy, natao lohateny lehibe ny "fihetsiketsehan'ny mpianatra" nokarakaraina hanamaloka ny fiverenany hiseho vahoaka.
Leon'ny Governemanta Ao An-toerana, Miantso Vonjy Amin'i Leonardo DiCaprio Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana Siberiana
Ao Krasnoyarsk, tanàna fahatelo lehibe indrindra any Siberia, nahita ny olona hamonjy azy ireo ny mpiaro ny tontolo iainana eo an-toerana: ilay kintan'ny Hollywood, Leonardo DiCaprio.
Anisan'ireo Orinasa 100 Voalohany Mandoa Ny ‘Hetran'ny Google’ Ao Rosia Ny Facebook
Tamin'ny Alahady, nitatitra ny gazety Vedemosti fa handoa ao Rosia ny antsoina fatratra hoe "hetran'ny Google " ny Facebook, izay 18 isanjaton'ny hetra fanampiny (TVA) amin'ny orinasa vahiny mivarotra votoaty elektronika ao Rosia