Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jolay, 2016
#TsyMatahotraAhoNyHilazaIzany: Milaza ny Herisetra Ara-nofo Niainany Ny Vehivavy Ao Amin'ny Media Sosialy Okrainiana
Malaza ao amin'ny ampahan'ny Facebook Okraniana ny tenirohy vaovao #ЯНеБоюсьСказати (#tsy matahotra ny hilaza izany aho). Amin'ny tenirohy, nizara ny tantarany sy ny zavatra niainany momba ny sotasota ara-nofo, herisetra ara-nofo, sy ny herisetra an-tokantrano ny mpiserasera.
Afaka Manaisotra Anaran-tsehatra Tsy Mila Didim-pitsarana Ankehitriny Ny Mpanivana Rosiana
Nomena fahefana hanaisotra ny anaran-tsehatra ho an'ireo habaka hita fa mampiantrano sary vetaveta ahitana ankizy tsy ilaina didim-pitsarana ny mpandrindram-panjakana rosiana misahana ny aterineto, Roscomnadzor.
Tafiditra Anaty Tantara Ratsy Saro-bahana Ny Mpiandraikitra Ny Zon'ny Ankizy Ao Rosia
Teny kely mampiseho fihetsika tsy miraharaha taorian'ny loza an-tsambo nahazo ireo mpianatra sy mpampianatra nitarika ny fialàn'ny mpiandraikitra ny zon'ny ankizy ao Rosia.
Miaka-peo Manohitra Ny Lalàna Henjana “Miady Amin'ny Fampihorohoroana” Ny Orinasa Sy Ireo Mpikatroka Rosiana
Mandrahona ny fiainana manokana sy ny tsy fitononana anarana eo amin'ireo mpiserasera Rosiana ny volavolan-dalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana amin'ny alalan'ny fanasaziana ny fifandraisana voaaro sy ny fanamafisana orina ireo fepetra fanarahamaso efa misy.
Mihevitra Hanangana ‘Fandraharahana Nasionalin'ny Lahatahiry Goavana’ i Rosia Hifehezana Ny Lahatahirin'ny Mpiserasera Aterineto
Efa dinihan'ny manampahefana Rosiana ny hananganana "mpanao raharahan-dahatahiry goavana nasionaly" ahafahana manara-maso ny fomba ampiasana, itehirizana ary hiarovana ny lahatahirin'ny Rosiana mpiserasera aterineto