Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Marsa, 2016
Misy Toerana Mahasambatra Ve ao Okraina? Jereo Ato Amin'Ity Sarintany Ity
Misy vondrona mpanolotena iraisampirenena iray manangana sarintany an-tserasera ahitana ny toerana rehetra ao Okraina hanandroan'ny olona ao fa mahatsiaro sambatra (faly) ry zareo.
Nesorin'ny Marvel Ao Amin'ny ‘Captain America’ Sombin-Tsarimihetsika Vaovao Amin'ny Teny Rosiana Ny Mariky Ny Saina Rosiana
Tao anatin'ny ora vitsy monja, dia voamariky ny mpisera aterineto ny tsy ahitana amin'ny tanàn'ilay miaramila amin'ny voalohany indrindra amin'ny sombin-dahatsary-fampahafantarana ilay marika famantarana rosiana hita ao amin'ny voatra Ôrizinaly.
Nitombo Maro Dia Maro Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Nataon'ny Governemanta Rosiana, Hoy Ny Tatitry Ny Twitter
Araka ny filazan'ny Twitter, nandefa fangatahana 1735 ny governemanta Rosiana sy ny sampana ofisialy ao aminy teo anelanelan'ny volana Jolay ka hatramin'ny Desambra 2015 hanesorana votoaty amin'ny Twitter, in-25 avo heny noho ny tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2015
Fandikàna Iray Isaky Ny Mandeha, Tian'ity Mpanoratra Sady Mpiakatroka Ity Havotana Ny Fahalalàn'ny Tandrefana An'i Rosia
Amin'ny alàlan'ny bilaoginy, ezahan'ilay mpandika lahatsoratra, Thomas Campbell, ny hanentsina ny banga. Ny herinandro talohan'ny 18 Febroary, nitsidika ny Anjerimanontolon'i New York i Campbell, ka tany no namaritany ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana ny tranonkalany sy ny fanarahana maso ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.
Tampenan'ny Rosiana Amin'ny Vola Tokoa Ny Lavaka Amin'ny Arabe
Tao anatin'ny dimy herinandro, niaina andiana korontana vokatry ny firoborobon'ny lavaka vaovao amin'ny arabe indray i Rosia. Arakaraky ny toe-tsainao manoloana haratsin'ny fkarakarana ataon'ny sampan-draharaham-panjakana sy ny arabe mampidi-doza, no hampiala-voly na hahatezitra anao amin' ireto tantara ireto.