Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Mandika sy mitatitra amin ny aterineto amin'ny fiteny Rosiana ho an'ny mpamaky manerantany ny tonian'ny RuNet Echo ato amin'ny Global Voices.

RSS

Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Septambra, 2014

“Tsy Miresaka Afa-tsy Politika” Sisa Ilay Blaogera Krimeana Ankehitriny

Raha liana amin'ny fizarana izay mahaliana sy votoaty mampiala voly i Sedelnikov taloha, fa tsindraindray ihany no mba niresaka ny tontolo politika, ankehitriny ny blaoginy dia miompana manontolo amin'ny fitantarana ny ady ao Okraina Atsinanana sy ny fifanenjanana eo amin'i Okraina sy i Rosia.

3 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandokoana Fefy Taminà ‘Loko Atsifotra’ ? Fotoana izao Hitenenanao Hoe : ‘Tsia’

Nanao fanentanana ny " Avoahy Vitishko", fanangonan-tsonia amin'ny alàlan'ny sehatra iraisam-pirenena "Avaaz" ireo mpikambana tamin'ity lohataona ity. Mitaky ny famoahana ny fonja tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra ilay mpandàla ny tontolo iainana.

Mibahan-Toerana Ao Okraina ny Tambajotra Sosialy Rosiana Na dia Misy aza Ny Adim-Baovao

Ireo tambajotra rosiana VKontakte sy Odnoklassniki no mahazo vahana eo amin'ny tsenan'ny media sosialy any Okraina, araka ny voka-pikarohana nataon'ilay goavan'ny aterineto rosiana Yandex.

Rosia: Mpanankarena Mety Ho Lasa Olom-pirenena Mijaly Indrindra

Hatramin'ny nahatonga azy tao amin'ny lisitr'ireo voasazin'ny Amerikana, nihasarotra ny fiainan'i Gennady Timchenko, iray amin'ireo namana akaiky indrindra an'i Poutine. Fa manao hatrany an'i Rosia ho trano fonenany ilay mpanankarena mizaka ny zom-pirenena Finlandais, sady manana toerana ambony ao amin'ny fitondràna, .

Nohamafisin'i Rosia Indroa Avo Heny Ny Programam-Pitsikilovany

Raha vao topazamaso voalohany ny "SORM 2.0" dia tahaka ny lalàna miverina fanindroany tsy tokony ilaina intsony, saingy mety hanome sehatra malalaka kokoa ho an'i Kremlin ny fanavaozana ny fitsikilovan'ny polisy.