· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Lalao Olaimpika tamin'ny Aogositra, 2012

Horonantsary: Nofinofy Amin'ny Olaimpika ao Kolombia

  07 Aogositra 2012

Mampiseho  nofinofy feno fanantenana amin'ny fifaninanana Olaimpika ilay horonantsary fohy “Speed” “Haingana” notontosain'ilay mpianatra Esteban Barros avy ao Barranquilla, Kolombia. Ampy ve ny fiezahana mafy, vokatra tsara, sy ny faharetana mba handresena amin'ny fifaninanana? Jerevo ny horonantsary izay maharitra roa minitra.

Mankalaza Ny Medaly Volafotsy Azon'i Erick Barrondo Tamin'ny Dia An-tongotra i Goatemala

  06 Aogositra 2012

Mankalaza ny fandresena voalohany azony tamin'ny Lalao Olaimpika fanao rehefa Lohataona tamin'ny Londona 2012 i Goatemala. Azon'i Erick Barrondo Garcia ny medaly volafotsy tamin'ny fandehanana an-tongotra 20km ho an'ny Lehilahy. Vao nivoaka ny vaovao, ireo mpampiasa ny media sosialy, isan'izany ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja hafa, dia nitehaka sy niarahaba ny fandresena mendrika azon'i Barrondo. Barrondo dia avy amin'ny faritra tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena izay tena mizaka manokana ny vokatry ny adin'ny zava-mahadomelina

Fifaninanana Ethiopiana/Kenyana: Norombahin'ny Mpihazakazaka Dibaba Ny Voninahitra Faratampony

  05 Aogositra 2012

Misy ireo mpifaninana manokana mandritra ny lalao olaimpika, ka ny iray amin'ny malaza indrindra dia ny fifaninanana eo amin'ny Ethiopiana sy ny Kenyana. Noporofoin'ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Ethiopiana Tirunesh Dibaba fa tsy naningana tamin'ny mahazatra ny lalaon'i Londres. Nitari-dalana ireo Kenyana roa nandritra ny fiodikodinana farany izy nandritra ny famaranana hazakazaka...