Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto

Tenenin'ny olompirenena ny governemanta hifidy ny fisokafana ao amin'ny ITU

GV Mpisolovava  13 Avrily 2019

Nandrisika ny governemantany hifidy ny fisokafana any amin'ny fihaonamben'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisandavitra (ITU) ireo mpanandratenin'ny zon'ny aterineto. Raha nanomboka ny Alatsinainy, nanapa-kevitra ireo Fanjakana mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana raha tokony ho hitarina mankany amin'ny fandrindrana ny aterineto ny fahefan'ny ITU - hetsika izay mety handrahona ny fiainana an-takonana...

Mamindra ny lisitry ny sivana avy any tanibe Shinoa mankany Hong Kong?

GV Mpisolovava  21 Marsa 2019

Nahita ny gazety iray eo an-toerana, AM730 [zh] fa manivana ireo tranonkala maromaro mety hanohina ara-politika ny tolotra wifi maimaim-poana an'ny governemantan'i Hong Kong. Na dia efa nisokatra indray aza ny ankamaroan'ireo tranonkala rehefa naharay ny fitarainan'ireo mpampiasa aterineto, dia mbola miahiahy kosa ireo mpiserasera sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Seraserao ny zonao! Zon'olombelona ny zo an-tserasera

GV Mpisolovava  19 Marsa 2019

Ny alina alohan'ny Internet Governance Forum, dia efa ho olona zato no nivory mba hifantoka momba ny fidirana, ny zo, ny fampandrosoana ary ny fankaherezana amin'ny aterineto. Na dia teo aza ny fahasamihafan'ny feo avy any atsimo manontolo, dia nahagaga ny fitovian'ny olana.

Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!

GV Mpisolovava  15 Marsa 2019

Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe momba ny Zon'olombelona ao Bahrain, izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiiny Twitter i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.