Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto tamin'ny Avrily, 2019
Shina: Mampiahiahy ny mpisera an-tserasera ny fikasan'ny governemanta hanitatra ny fanaraha-maso amin'ny Aterineto

Nampiahiahy ny mpisera Shinoa amin'ny fanombohan'ny onjam-panentanana vaovao hanenjehana ny mpanohitra an-tserasera ny andian-dahatsoratra maromaro navoakan'ny zoro fampahalalam-baovaom-panjakana izay manamarina ny fisoratana ny tena anarana an-tserasera sy ny famoretana ny heloka an-tserasera.
Nosakanan'ny manampahefana Tajik ny Facebook ary nampanantsoiny ny filoha tale jeneraliny

Nanome baiko ny fanakanana ny Facebook ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fifandraisandavitra tantanan'ny fanjakana ao Tajikistan ary nangataka ny tale jeneralin'ny tambajotra sosialy mba ho any amin'ny firenena Aziatika Afovoany sy hihaona aminy. Maneso ity manampahefana ity ankehitriny ireo mpisera aterineto Tajik.
Tenenin'ny olompirenena ny governemanta hifidy ny fisokafana ao amin'ny ITU

Nandrisika ny governemantany hifidy ny fisokafana any amin'ny fihaonamben'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisandavitra (ITU) ireo mpanandratenin'ny zon'ny aterineto. Raha nanomboka ny Alatsinainy, nanapa-kevitra ireo Fanjakana mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana raha tokony ho hitarina mankany amin'ny fandrindrana ny aterineto ny fahefan'ny ITU - hetsika izay mety handrahona ny fiainana an-takonana...
Paragoay: Nosakanan'ny mpamatsy tolotra aterineto tsy nisy fampilazana ny tranokalam-baovao

Nisy hetsika fibahanana mampiahiahy avy amin'ny orinasa tsy miankina natao ny 26 Septambra 2012 tany Paragoay. Mpamatsy tolotra aterineto roa (ISPs) no nanakana ny tranonkala AbcColor.me tsy nisy didim-pitsarana. Novahana ny tranonkala taorian'ny fanerena avy amin'ireo mpisera.