· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto tamin'ny Marsa, 2019

Mamindra ny lisitry ny sivana avy any tanibe Shinoa mankany Hong Kong?

GV Mpisolovava

Nahita ny gazety iray eo an-toerana, AM730 [zh] fa manivana ireo tranonkala maromaro mety hanohina ara-politika ny tolotra wifi maimaim-poana an'ny governemantan'i Hong Kong. Na dia efa nisokatra indray aza ny ankamaroan'ireo tranonkala rehefa naharay ny fitarainan'ireo mpampiasa aterineto, dia mbola miahiahy kosa ireo mpiserasera sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

21 Marsa 2019

Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!

GV Mpisolovava

Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe momba ny Zon'olombelona ao Bahrain, izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiiny Twitter i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.

15 Marsa 2019