Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto tamin'ny Desambra, 2012
Pakistana: Nakatona ny Twitter
Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter....
Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche
Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny...
Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto
Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo...
Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto
Nivory tany Dubai ireo mpitondra manerana izao tontolo izao tamin'ity herinandro ity mba hamonjy ny Kaonferansa Manerantany Momba ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena (WCIT), ary miankina amin'izay vinavina hiseho, mety hisy voka-dratsy eo amin'ny...
Costa Rica: Nanasonia Ny Fanambarana Fahalalahan'ny Aterineto Ny Filoha
Nanao sonia [en] tao amin'ny habaky ny Fanambarana ny Fahafahan'ny Aterineto [mg] ny Filoha araka ny Lalampanorenana ao Costa Rica Rtoa Laura Chinchilla ary hiantso ny mpitondra amin'izao tontolo izao " hiaraka amintsika hitandro sy hamelona sy hiaro izany fisokafana sy fahafahana azo anorenana ny hoavy mamirapiratra izany"