Tantara mikasika ny Blaogim-Piarahamonina GV tamin'ny Jona, 2019

Torolalana Ara-pandaminana

29 Jona 2019

Manazava ny fomba ifandaminantsika, ifampifaneraserantsika, ary manolotra ireo politikantsika amin'ny resaka fitsipika sy taridlana mba hifamalian'ny asantsika ity fizaràna ity

Taona vaovao, fiainana vaovao ary andao hifanampy!

  28 Jona 2019

Tongasoa eto amin'ny taratasim-baovao Lingua 2019 an'ny Global Voices! Ary nahatratra ny taona daholo! Taona sarotra sady nahafinaritra ny taona 2018. Traikefa niainana ny fahaterahan'ny zanako vavy, Sophia izany ary koa andraikitra mahafinaritra amin'ny maha-reny. Koa dia taona nampientanentana ny taona 2018, nanatontosa resadresaka maromaro, nikarakara fihaonana, nizara toro-hevitra, namana notsaroana, fiarahamiasa mitohy ary nanangana tranonkala Lingua isika!

Translator Newsletter: Fianarana asa ao amin'ny Firenena Mikambana, Fahaizana fiteny roa sy fahalalana ara-tsosialy ary tantara hafa!

Rising Voices  28 Jona 2019

Amin'ny maha-mpandika teny mahaleotena miasa ho an'ny sampan-draharahan'ny fandikan-teny, mpitantana tetikasa ny ankamaroan'ny sasany amin'ireo olona ifandraisantsika. Nametraka ity lisitra toro-hevitra ity ho an'ireo mpandika teny mahaleotena vaovao, mivantana avy amin'ireo mpitantana tetikasa ny olona mahafinaritra ao amin'ny The Savvy Newcomer

Gloval Voices: Tetezana mampifandray fomba fijery maro

  26 Jona 2019

Efa zazalahy be ahiahy hatrany aho hatramin'izay. Mihamanjavona ny fahanginan'ireo tantara madinika nahafinaritra afaka nobanjiniko teo amin'ny fiainako andavanandro ary indrisy fa mijanona ho voafetra ao anatin'ny fahatsiarovan'ireo niaina azy na ao anatin'ny fanahin'ny fitantarana ataon'ireo manam-bitana izay afaka niditra tamin'izany antsoina loatra hoe fampahalalam-baovao izany, zava-mitranga matetika ao Afrika.