Tantara mikasika ny gv-summit
Oviana ianao no nanatevin-daharana ny Global Voices? (Fandraisana anjara tamin'ny LAHATSARY)
Oviana no nanatevin-daharana ny Global Voices ianao ?
Ireo Tantara Tianay Hotantaraina Ao Amin'ny Global Voices: Andrana Iray.
Namokatra ny pejy fandraisana heveriny ho mendrika amin'izy ireo ireo vondrona tao amin'ny fihaonan'ireo toniandahatsoratry ny efitrano famoahambavoavo, niaraka tamin'ny tantaran'ny GV izay noforonina tanteraka na nifototra tamin'ny tranga tena nisy.
Tratry Ny Taona Ny GV! Manomboka Ny Fiandohana Vaovao Indray Isika Eto! Andao Hanatanteraka Izany Isika!
Indro ny fanombohana vaovao ry GV!
Fivoriana Atrikasa Anatiny GV – Improv Factor – Andro 1
Tanjona sy mpandray anjara Ny hanampy ireo mpandray anjara mba hampitombo fifandraisana, fahaizamanao amin'ny fanadihadiana am-bava ary ny fahalalana am-po amin'ny alalan'ny lalao no tanjon'ilay atrikasa. 8 no mpandray anjara ary notarihin'i Karolle R ilay WS (atrikasa). Votoatin'ilay Atrikasa Lalao 1: Fanomanana Fety Fandaminana: vondrona kely, olona 4-5 Fepetra: efa voalahatra...
Tokony Hitovy Kokoa Amin'ny Global Voices Izao Tontolo Izao
"Raha niomana hisidina hiala an'i Sri Lanka aho taorian'ny Fihaonana andiany 2017, tsy vitako ny tsy hieritreritra fa tokony hitovy kokoa amin'ny Global Voices izao tontolo izao: toerana feno fitiavana sy fangorahana handraisana an-tànan-droa ireo hevitra mitandro ny fandriampahalemana."
Anontanio ireo Mpikambana ao amin'ny Filankevitra
Mihaino izy ireo, miteny, mamaly fanontaniana, saingy ambonin'izay rehetra izay, mandray lesona avy amintsika tsirairay avy.
Vovonana GV 2017: Ilay Tsipika Manify Manasaraka Ny Fifankatiavana Sy Ny Fiaraha-mitolona
Ampy hanaisotra ireny eritreritra rehetra ireny ny andro voalohany nanaovana fivoriana anatiny, nahazoako toky fa tena tonga amin'ny toerana niriako haleha tokoa aho, tena manao izay zavatra tiako natao
Na Namely Tampoka Aza Ny Tafio-drivotra, Dia Mijoro Tsy Mihontsona Izahay.
Miaraka amin'ireo rivotra mafibe (60-70 km/h) sy ireo orambe mivatravatra izay naharitra ora 12 mahery, toy ny hoe rovitra ny tontolo manodidina anay. Saingy ao anatin'ny Efitrano Regrency tao amin'ny hotely Mount Lavigna, manohy miasa mafy sy miara-miala voly ny vondrom-piarahamoninay.