Tantara mikasika ny gv-summit tamin'ny Jona, 2019

Avy tamin'ilay Fihaonambe: Vondrompiarahamonina tsy mbola fandre ary Fiatrehana ireo fanamby

Nandritra ilay fihaonana anatiny natao nandritra ny Fihaonamben'ny GV tany Cebu, nametraka fanontaniana lehibe ho an'ireo mpanatrika aho nandritra ny anjara famelabelarana Rising Voices nataoko. Nangatahako izy ireo hieritreritra mikasika ireo vondrompiarahamonina tsy dia voasongadina loatra anatin'ny Aterineto. Nanontaniantsika io satria izany no tadiavin'ny RV ho vahana

Nilalao ihany koa izahay tany amin'ny Vovonana

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jona 2019

Niasa mafy izahay andro maromaro izao, tsy ampy torimaso izahay ary mbola reraky ny dia amin'ny fiaramanidina ny ankamaroanay (miova hasin'ora), saingy naha hafa kely azy ny fotoana fohy toy izao rehefa lasa toeram-pialalaovana tsy nomanina ny efitra fivoriana ary niverina toy ny ankizy indray izahay.

Ary mbola sary maro kokoa… ..andiany farany!

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015) Ho an'ny rehetra, indro ny andian-tsary farany ho an'ireo roa andro farany tao amin'ny Foibe Capitol – ny 24 sy 25 Janoary 2015. Ankafizo, ary raha manana olana ianao amin'ny fitrohana izany na raha mila sary manokana dia anoraty aho fa alefako any aminao...

Mitahiry ny fiteny Aymara ho an'ny taranaka hoavy

Blaogim-Piarahamonina GV  16 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015) Mendri-piderana ary mendrika ny fanohanana rehetra azony ny fanoloran-tena feno hafanam-po avy amin'i Victoria Tinta avy any Bolivia amin'ny vanim-potoana iray izay ahitana ny fitenin'ny indizeny Latino-Amerikana maro tandindonin-doza sy miha-manjavona. Alefa Victoria! Manao asa mahatalanjona ianao!

Eo foana ny hoavy

Blaogim-Piarahamonina GV  16 Jona 2019

(Lahatsoratra tamin'ny volana Janoary 2015) Niaraka taminay foana i Umaima kely isan'andro nandritra ny Vovonana GV mba hampahatsiahy anay fa anisan'ity vondrom-piarahamonina mahagaga ity izahay noho ny antony tokana: ny hanangana tontolo tsaratsara kokoa ho an'ny ankehitriny sy ny taranaka hoavy. Tena mampazoto anay ny tarehy kely mahafatifaty tahaka ny...

Sary avy amin'ny Vovonana andro voalohany 

Blaogim-Piarahamonina GV  16 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015) Ataovy an-tsary ny fitantarana. Asa tsy mora kanefa asa izay fahafinaretan'ireo mpaka sary mba hahafahantsika mitahiry ireo sary ho an'ny hoavy ary afaka milaza isika indray andro any fa nandray anjara tamin'izany ihany koa.. https://www.flickr.com/photos/lauraruth123/sets/72157650395085211  (andian-tsary avy amin'i @LauraSchne) ary azafady jereo ny rakitsarin'i...