Tantara mikasika ny GV Face
GV Face: Fitokonana Tsy Mihinankanina, Fotoana Nigadrana, Sy Ny Fikatrohana Ao Bahrain sy Ejypta
Mitokona Tsy Mihinankanina i Alaa Abd El Fattah sy Maryam Al Khawajah, Fotoana Nigadrana, Sy Ny Fikatrohana Ao Bahrain sy Ejypta. Gadra politika an-jatony ao Ejypta sy Bahrain amin'izao fotoana izao no manao fitokonanana tsy hihinan-kanina .
GV Face: Fitsapa-kevi-bahoaka Mikasika Ny Zo Hifidy Karakarain'Olo-tsotra Ao Hong Kong
Fantaro ny fizotry ny fitsapa-kevi-bahoaka nokarakarain'ny olom-pirenena tao Hong Kong, miresaka amintsika momba izany amin'ity fandaharana GV Face ity i Oiwan Lam, mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Shina.
GV Face: Ny Vahoaka No Herin'ny Vonjitaitra Noho Ny Tondradrano Ao Serbia
Niresaka tamin' ireo namantsika any Serbia isika tamin'ity herinandro ity mikasika ny ezaka fifanampiana. Inona ary ny dingana manaraka ho an'ny mponina sy ny governemanta? Ary nahoana no mitebiteby ny amin'ny fandrahonana mahazo azy ny haino aman-jery sosialy?
GV Face: Ho Famotsorana Ny Blaogeran'ny Zone 9 ao Ethiopia
Blaogera sy mpanoratra gazety sivy --mpikambana ao amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo -- no migadra noho ny asany ao Ethiopia amin'izao fotoana izao. Fantaro ary ny fomba hanohananao ny fanentanana #FreeZone9Bloggers !
GV Face: “Aziatika” Loatra Teo Ampivoahana? Ny Kolontsaina Sy Ny Faharendrehan'ny Ferry No Voatsiny
Manjaka tanteraka ny fitsarana an-tendrony raiki-tapisaka momba an'i Korea Atsimo ao amin'ny ankamaroan'ireo vaovao mikasika ilay sambo ferry nilentika ka nitarika fahafatesan'olona maherin'ny 200.
GV Face: Mivantana Avy Amin'ny Mondialin'ny Internet
Manana tondrozotra vaovao ho amin'ny fitantanana ny internet manerantany ve isika? Amin'ity herinandro ity ny hangout dia miainga avy ao amin'ny fihaonamben'ny Net Mundial ao São Paulo, Brezila.
GV Face: Fa Inona No Nitranga Tamin'ny Blaogeran'i Iran?
Angamba tsy vita hatreo ny famahanam-blaogy, fa niova toerana fotsiny? Nanolotra fanadihadiana lalina momba ny tontolom-blaogy Persiana i Arash Kamangir sy i Laurent Giacobino.
GV Face: Ny Tsiambaratelon'i Etazonia “Twitter Kiobàna”
Nampitodika ny sain'ny mpanara-baovao maro ny namoahana fa nisy paikadin'i Etazonia hanohanana ny fanovana fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny mpanao raharaham-pandefasan-kafatra mitovy amin'i antsoina hoe ZunZuneo ary notaterin'ny vaovao fa Kiobàna an'arivony no voafitaka tamin'ny fisoratana anarana ho amin'izany servisy izany tamin'ny alalan'ny antony hosoka. Hisy fiantraikany ho an'ny mpikatroka nomerika manerantany...
GV Face: Fanaovana Lahatsary Hoan'ny Fiarovana Sy Ny Fanovana Miaraka Amin'ny Witness Sy Rising Voices
Mampiasa lahatsary ve ianao mba hahatonga ny fanentanana ataonao hotanteraka? Milaza tantara sy maka sarimihetsika miaraka amin'ny kamera na findainao ve ianao? Mila mijery ity GV Face ity izany ianao!
GV Face: Ahoana Ny Hahazoana Vatsy Rising Voices
Manan-kevitra hanampiana ny vondrom-piarahamoninao hilazalazany ny tantarany amin'ny fampiasana median'olom-pirenena ve ianao? ikaroka ny fomba tsara indrindra hahazoana fandresena ny ekipan'ny Rising Voices (RV)