Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny vatsiana tamin'ny Novambra, 2014

Fifarimbonana Antserasera Amin'ny Teny Maya Tz'utujil Jerena Amin'ny Antontanisa

Manome antontanisa mahaliana mikasika ny fandraisana anjara ao amin'ny pejy Facebook sy Vondrona mampiroborobo ny teny Mayana ao Goatemala ny tetikasa Tz'utujil Tziij Pa Nimk'atz nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Manangana Fitaovana Ho Firaketana Ny Mozika

Nanangana ny lafika ataovy-miainga-aminao ny tetikasa "The South of South" tohanan'ny Rising Voices mba hisian'ireo fitaovana fandraketana izay ho azo entina mitety toerana hiraketana ireo fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny mozika any Yucatan Peninsula ao Meksiko.

Fanamby Sasany Amin'ny Fampiasana Ny Teny Tz'utujil Maya Ao Amin'ny Media Sosialy

Ao San Juan La Laguna, mizara ny sasany amin'ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonina Goatemalteka miezaka mampiroborobo ny fampiasana ny teny indizeny ao amin'ny media sosialy i Israel Quic.

Fiofanana Mibilaogy Hoan'ireo 35 Lasibatry ny Fanandevozana Tao Maoritania

Liana tanteraka tamin'ny fiofanana momba ny bilaogy voalohany notontosaina tao Maoritania ireo mpandray anjara. Mpandray anjara efapolo no naniry fatratra nianatra momba ny fomba fibilaogina momba ny olana ankehitriny mikasika ny fanandevozana ao amin'ny firenena.

Feon'ny Fiarahamonina Achuar sy Shuar Alefa Mivantana Antserasera

Tafiditra ao anatin'ny tetikasa Rising Voices Amazonia, hametraka fisiana antserasera amin'ny tenin'izy ireo manokana ny Onjam-peo ao amin'ny fiarahamonina indizeny Achuar sy Shuar ao Amazonia Ekoateriana.

Manampy Mpikambana Bebe Kokoa Ao Amin'ny Vondrona Facebook Tz'utujil Tziij

Faly nahita ny fitomboan'ireo mpiserasera aterineto avy ao Goatemala liana amin'ny fifandraisana amin'ny teny Mayana ny vondrona Facebook Tz'utujil

Ireo Tantara Voalohany Miresaka Fiainan-Jazavavy Ao Kyrgyzstan

Naharay ny tantara voalohany avy amin'ireo tovovavy manerana ny firenena Kyrgyzstan te hizara ny tantarany ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices Girl Activists ao Kyrgyzstan. Avy amin'i Jibek, nanoratra ny fanakiviana azy tamin'ny fianarana siansa, ny tantara iray amin'izany.

Sarayaku: Sarin'ny Faharetana Sy Ny Safidy Hafa

Avy amin'i Amazonia Ekoateriana, nahafantatra ny fiarahamonina Sarayaku izay nilaza tsy mila arabe izahay, saingy nilaza fa mila aterineto hifandraisana amin'izao tontolo izao.