Tantara mikasika ny fandikàna-voalohany

Lingua Rosiana: ahoana no nanombohany ?

Blaogim-Piarahamonina GV  09 Jolay 2019

"Latsa-pitia tamin'ny Global Voices aho efa ho 5 taona mahery izay. Koa satria mahatalanjona avokoa ny zava-drehetra eto amin'ity fiainana ity dia tampoka ny nitrangan'izany," hoy Ekaterina Golubina nanoratra momba ny nanombohan'ny Global Voices amin'ny teny Rosiana.

Mpampita teny… ampitaiko ny fijoroana vavolombelon’ireo izay manoratra…

Blaogim-Piarahamonina GV  25 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014) Tamin’ny taona 2008 aho no nahita ny GV, raha nanao ny famoahana ny lohatenin-gazety iraisam-pirenena ho an'ny tetikasa OLPC (One Laptop Per Child) niaraka tamin’ilay lahatsoratra hoe : ‘’Miha-lehibe ao anatin'ny Fibilaogina any ambanivohitr'i Orogoay ‘’. Tamin’izany fotoana izany, tsy mbola voadika ny lahatsoratra,...

Ilay lehilahy nahatonga ny fisian'ny tetikasa Lingua tato amin'ny Global Voices?

Blaogim-Piarahamonina GV  25 Jona 2019

Tamin'ny taona 2005, mpianatra nahazo mari-pahaizana tamin'ny sehatry ny Asa Fanaovan-gazety aho ary nahatsapa ho fanina aho tamin'ny zava-bita mampitolagagan'ny orinasan'ny fampitam-baovao tany Taiwan. Tsy fantatro raha tokony hanohy hanatratra ny tanjoko ho lasa mpanao gazety amin'ny fampitam-baovao nentim-paharazana aho na ... tsy fantatro hoe inona ny safidy hafa.

#GVfamily

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jona 2019

Nahafinaritra izany satria olona nifandray tamiko tamin'ny alàlan'ny mailaka ihany izy kanefa dia nandray ahy toy ny hoe nifankahalala teo amin'ny fiainanay manontolo izahay. Tamin'izany fotoana izany dia fantatro fa tsy ao anatin'ny rafitra lehibe aho - fa ao anatin'ny fianakaviana iray.

Nozaraiko ankehitriny ilay tsiambarateloko kely

Blaogim-Piarahamonina GV  18 Jona 2019

Mitovy amin'ny fialam-boly ny fandikanteny ho an'ny Global Voices ho ahy, midika  ho toy ny mandeha any amin'ny toerana hafa eto amin'izao tontolo izao ny lahatsoratra tsirairay izay nadikako ary toy ny misotro kafe miaraka amin'ny bilaogera vaovao.

Ireo pejinay momba an i fandikàna-voalohany

lahatsoratra nadika voalohany