Tantara mikasika ny Filankevitra-gv
Inona no voaray tamin'ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny vaomieran'ny vondrom-piarahamonina
Nandritra ny herinandro vitsy lasa, nandinika ireo vokatra sy valim-panontaniana an-tsoratra maimaim-poana avy amin'ny fitsapana ny hevitry ny Vondrom-piarahamonina izahay ary miasa mba hahatonga ireo tolo-kevitrareo sy ny hevitrareo ho drafitra azo iasàna. Faly izahay mahita fa mifanaraka tsara amin'ireo lohahevitra efatra rehetra ny vokatra avy amin'ny Filankevitra...
Efa Tafiakatra ao anaty Aterineto avokoa ireo Vokatry ny Fitsapankevitra avy amin'ny Filankevitra
Hitanareo anatin'ny pejy tsirairay ny famintinana fohy ny adihevitra, ireo rohy mankany amin'ny antontan-taratsy feno misy ny resaka izay andalinana azy ireo tsirairay avy, ary ireo vokatra amin'ny antsipiriany avy amin'ny fitsapankevitra mifanaraka aminy.
Andao hofantarintsika ny Vaomieram-piarahamonina Global Voices
Miaraha aminay amin'ny fandraisana ny Vaomieram-piarahamonina izay handray anjara amin'ny dingan'ny filankevitra, hifanakalo hevitra sy hanapa-kevitra momba ireo lohahevitra efatra lehibe izay hanampy amin'ny famolavolana ny lalan-koavin'ny GV.