Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Aogositra, 2018

Adin'ny Rakipahalalana: Fampiasana Weibo Mba Hanosehana Ny Wikipedia Ao Shina

  12 Aogositra 2018

Ny fitadiavana vaovao amin'ny tambajotra ao Shina dia mety midika ho fampiasana kokoa ny rakipahalalana tsy mampidi-bola an'ny tambajotra Baidu, mitaha amin'ny fampiasana ny rindrambaiko malalaka Wikipedia. Ny toniandahatsoratra, Addis Wang, dia manana tanjona amin'ny fanairana ny ao Shina momba ny Wikipedia (sy ny toetsaina fizaràna fahalalana ao aminy) amin'ny alalan'ny fampiasana ireo media sosialy miaraka amin'ilay fampiasa malaza Weibo.

Nomad Green: Atrikasa maro tany Mörön, Khatgal ary Ulaanbaatar

  10 Aogositra 2018

Nikarakara atrikasa tany amin'ny faritanin'i Khövsgöl, any avaratra atsinanan'ny firenena ny Nomad Green, tetikasa tohanan'ny Rising Voices any Mongolia. Ity faritra ity dia malaza noho ny hatsaran'ny natiorany sy ny farihy Khövsgöl ary iray amin'ireo toerana fisarihana mpizahatany lehibe any Mongolia.

Antsafa niarahana tamin'i Jamila Venturini ao amin'ny Friends of Januária

  10 Aogositra 2018

Iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices Friends of Januária i Jamila Venturini, mpanao gazety Breziliana. Ao anatin'ity lahatsarin'ny antsafa niarahana taminy ity izy niresaka ny antony nanombohana ny tetikasa fanentanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra any amin'ny tanànan'i Januária.

Sary avy amin'ny Mokattam Blog Tales

  09 Aogositra 2018

Indro ny tohin'ny andian-dahatsary misy fizarana telo notontosain'ilay Egyptiana mpanatontosa sarimihetsika Mahmoud Saber, izay mijery akaiky ny tetikasa tsirairay ao anatin'ny hetsika Rising Voices tany Egypta. Manasongadina ny tetikasa Mokattam Blog Tales ity lahatsary ity.

Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales

  08 Aogositra 2018

Mpandrindra ny tetikasa Mokattam Blog Tales i Nesma Gewily ao amin'ny Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta, manodidina an'i Kairo, Egypta. Ato amin'ity tantara ity, manoritsoritra momba ny tetikasa i Nesma, niaraka tamin'ny fiara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar izay hampianatra ny... fampiasana ny fitaovan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.