Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Jolay, 2018

Voces Bolivianas niseho tao amin'ny BBC

  26 Jolay 2018

Miarahaba ny Voces Bolivianas noho ny fankasitrahana mendrika azy indrindra! Azonao atao ny mamaky ny dikan-teny amin'ny teny Anglisy eto avy amin'ireo mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas.

Cristina Quisbert ao amin'ny bilaogy

  26 Jolay 2018

Mizara ny traikefany amin'ny maha mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas i Cristina Quisbert. Niseho tamin'ny resadresaka navoaka tato roa volana lasa ihany koa i Cristina. Azonao atao ny mamaky ny dikantenin-dahatsoratra nosoratan'i Cristina sy ny namana mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas amin'ny teny Anglisy ao amin'ny tranonkalan'ny Voces Bolivianas.

Tranom-barikan'i Dhaka

  25 Jolay 2018

Mitondra antsika hitety ny tranombarikan'i Dhaka (na ny ambany tanàna araka ny fiteny hafa) ny ekipam-bilaogeran'ny Nari Jibon, mamariparitra ny fiainan'ny Bangladeshita monina amin'ny faritra mahantra indrindra amin'ny renivohitra. Noho ny fandehanan'ny dikantsoratra haingana dia haingana, dia afindrako eto izany soratra izany.

Sava-lalana momba ny Iran Inside Out

  25 Jolay 2018

Shaghayegh Azimi no fehin'izay lazaina matetika ato amin'ny Global Voices ho "bridge-blogger" [bilaogera-tetezana fampitana]; olona mampiasa ny bilaoginy mampita na mampifandray kolontsaina roa na maro. Fa misy zavatra iray voamarika - tsy tena bilaogera i Azimi. Amin'ny maha-mpamokatra filma taloha azy tao Iran, ny lahatsary hatrany no nosafidianany ho fitaovam-panehoan-kevitra.

[Lahatsary] Sombin-tsarin'ny Iran Inside Out

  25 Jolay 2018

Atolotr'i Shaghayegh Azimi amintsika izay heverina fa hivoaka amin'ny Iran Inside Out, tetikasa eny an-kianja miara-miasa amin'ny videobilaogera iraniana ao an-toerana mba hamantarana izay tanora mpanatontosa sarimihetsika misandratra sy mampianatra azy ireo ny fomba izarana ny asany an-tserasera.

[Lahatsary] Dominika, ankizy eny an-dalambe

  25 Jolay 2018

Namokatra ity horonantsary fanadihadiana an'i Dominika, mpangataka eny an-dalambe ao Antananarivo ilay bilaogera ao amin'ny FOKO sady mpikambana Klioban'ny amin'ny Firenena Mikambana antsoina hoe Nombana. Nalefa tao amin'ny MySpace tamin'ny fifaninanana Alaivo horonantsary ny Lohahevitrao ( Film Your Issue) ny lahatsary.

Mialy Andriamananjara miresaka momba ny Foko

  25 Jolay 2018

Tapa-bolana lasa izay, niresaka tamin'i Lova Rakotomalala, iray amin'ireo efatra mpandrindra ny fandaharana fanentanana ao amin'ny bilaogy FOKO Madagasikara aho. Amin'ity herinandro ity, dia ampiseho lahatsary misy resadresaka niarahana tamin'ny mpiara-miasa amin'i Lova, Mialy Andriamananjara isika.

Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

  24 Jolay 2018

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''