· Jolay, 2019

Tantara mikasika ny lingua tamin'ny Jolay, 2019

Efa misy ankehitriny ny Lingua vaovao Nubian!

Blaogim-Piarahamonina GV  25 Jolay 2019

Miarahaba izao tontolo izao! Efa misy ankehitriny ny Lingua Nubian! Tsy maintsy milaza aho fa nofinofiko hatramin'ny naha-mpitantana ny Lingua ahy ny hanana ny Nubian eo amin'ny fitenintsika. Misaotra anao, Momen Talosh, noho ny fahavononanao hanara-maso ny fanombohana ny tetikasa!

Vaovao mahafinaritra momba ny Lingua Espaniola!

Blaogim-Piarahamonina GV  15 Jolay 2019

Nandritra ny taona maro, Juan Arellano no tonian-dahatsoratry ny Lingua Espaniola, manara-maso ny fandikana ny lahatsoratra GVAnglisy mankany amin'ny teny Espaniola. Tamin'ny Janoary anefa, nanambara i Juan fa hiala izy ka manomboka amin'ny 15 Febroary, i Gabriela Garcia Calderon no hisolo azy.

Taratasim-pifandraisan'ny mpandika: Mpiteny teratany, mpandikateny sy zavatra maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  14 Jolay 2019

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2015) Mirary Alatsinainy finaritra ry GV'ers!  Arahaba ary tongasoa ato anatin'ny taratasim-pifandraisana farany ho an'ny mpandika… ho an'ny taona 2015! Manantena aho fa samy nahafinaritra daholo ny fialantsasatrareo ary vonona ianareo ny hipetraka hianatra zavatra misimisy kokoa momba ny … Mpiteny teratany Amin'ny maha-mpiteny...

Endrika vaovao WordPress sy Lingua

Blaogim-Piarahamonina GV  10 Jolay 2019

Miarahaba, Jeremy developera ao amin'ny Global Voices ihany ity. Vao avy nanavao ireo tranonkala rehetra ampiasaina amin'ny endrika WordPress (4.5.3) izahay ary te-hampiseho endrika vitsivitsy mahafinaritra izay nampidirina vao haingana aho.