Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2019

Torkia: Nosakanana ny Dailymotion

  18 Mey 2019

Nosakanana tany Torkia tamin'ny 2 Aogositra 2008 ny fidirana ao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary frantsay Dailymotion.com. Araka ny filazan'ny Erkan Saka, bilaogera monina any Istanbul, "tsy nisy fanazavana ny fanapahan-kevitra handràra ny tranonkala."

Atrikasa Advox: Rob Faris miresaka ny fanivanana ny aterineto

  18 Mey 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Ny hoavin'ny sivana amin'ny aterineto sy ny andraikitry ny mpikatroka amin'ny fandraketana momba ireo fanivanana. Ny lafiny fiovana ara-politika, ara-pitsarana, ara-tsosialy ary ara-teknika amin'ny fanivanana ny aterineto ary ny adihevitra momba ny fitaovana vaovao nozaraina izay narafitray hanangonana torohay momba ny sivana manerantany. |...

Nalaina an-keriny ilay bilaogera Syriana Roukana

  17 Mey 2019

Vaovao farany: Naharay antso avy amin'i Rokana Hamour izahay ny alina lasa teo (26 Oktobra). Salama izy. Nohadihadian'ny sampan-draharahan'ny fiarovana Syriana momba ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny bilaoginy izy. Navotsotra i Rokana ora telo taty aoriana.

Syria: miha-maro ireo lasibatry ny famoretana antserasera

  16 Mey 2019

Manambara ny tatitra vaovao navoakan'ny Human Rights Watch fa olona roa no nogadraina mangina any amin'ny toerana tsy fantatra ao Syria. Nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana miaramila Syriana tamin'ny volana jona 2007 i Karim 'Arbaji (29 taona) sy Tarek Biasi (22taona) noho ny fanehoan-kevitra antserasera mitsikera ny governemanta Syriana.