Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Marsa, 2019

Kamerà eny rehetra eny: Fanamby sy fahafahana ankehitriny eo amin'ny kihon-dalan'ny zon'olombelona, lahatsary sy ny teknolojia

Mampahatsiahy antsika ny revolisionan'ny "Lohataona Arabo" sy ny tolona mitohy ho an'ny fiovàna any Libia, Syria ary ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao fa manana anjara andraikitra lehibe amin'ny hetsika fiovàna ara-tsosialy sy ara-politika amin'izao androntsika izao ny finday, ny lahatsary ary ny aterineto.

21 Marsa 2019

Mamindra ny lisitry ny sivana avy any tanibe Shinoa mankany Hong Kong?

Nahita ny gazety iray eo an-toerana, AM730 [zh] fa manivana ireo tranonkala maromaro mety hanohina ara-politika ny tolotra wifi maimaim-poana an'ny governemantan'i Hong Kong. Na dia efa nisokatra indray aza ny ankamaroan'ireo tranonkala rehefa naharay ny fitarainan'ireo mpampiasa aterineto, dia mbola miahiahy kosa ireo mpiserasera sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

21 Marsa 2019