Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2019

Ejipta: Navotsotra ilay bilaogera Kareem El Beheiry

  22 Mey 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navoaka tao am-ponja ny 2 Jona 2008 ilay bilaogera Ejiptiana Kareem El Beheiry . Nosamborin'ny polisy Ejiptiana i Kareem noho ny fifandraisany tamin'ny fitokonana ny 6 Aprily ho fanohanana ireo mpiasan'ny orinasan'ny lamba ao an-tanàndehiben'i Mahalla.

Edward Snowden, ampamoaka 365 andro

  20 Mey 2019

Nanomboka ny 5 Jona 2013, betsaka ireo ampamoaka momba ny fanarahamaso erantany. Indro ny fitetezana ny sasany amin'ireo zavatra tena manandanja fantatray avy amin'ny ampamoaka nataon'i Snowden.

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

  20 Mey 2019

Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide: Cross-posting ho an'ny Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana iarahana ho an'ny fanentanana antserasera momba ny fiarovana ity torolàlana ity.

Moldavia: fakàna an-keriny ireo solosaina manokan'ireo tanora 12 noho ny fandefasana tsikera antserasera

  19 Mey 2019

Tamin'ny 4 Jona 2008, nandidy ny fandraofana ireo ordinatera manokan'ireo tanora 12 izay naneho hevitra mitsikera ny antoko komonistan'ny fitondrana ao amin'ny Repoblika Moldavia tao amin'ny sehatra fifandraisana amin'ny aterineto sy ny vavahadim-baovao toy ny forum.md, torrentsmd.com, desteptarea.info sy ny unimedia.md ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Râşcani ao an-drenivohitr'i Kishinev.