Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Febroary, 2019

Frantsa: Tsy lany tao amin'ny parlemanta ny lalàna ‘dona in-telo’ misahana ny troka “piraty” amin'ny aterineto

  26 Febroary 2019

Nolavin'ny parlemanta ao Frantsa ny volavolan-dalàna Hadopi (la Haute Autorité pour la diffusion des œuvres et la protection des droits sur internet (Fahefana ambony misahana ny famoahana sangan'asa sy fiarovana ny zo amin'ny aterineto) tamin'ny Alakamisy (09.04.2009) ka miaraka amin'izany ny tsy fahombiazan'ny antokon'ny fitondrana UMP (21-15) hankatoa ny lalàna.

Maraoka: Afaka i Fouad Mourtada

  26 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotra i Fouad Mourtada,  26 taona, injenieran'ny teknolojia vaovao izay nosamborina tamin'ny 5 Febroary 2008 ary voaheloka telo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.350 dolara noho ny famoronany pejy Facebook sandoka ho an'ny zandrin'i Mpanjaka Mohammed VI, Printsy...

Iran: Tandindonin-doza ny ain'ilay bilaogera 

  25 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Andro maromaro izay no nitokona tsy nihinan-kanina i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera nogadraina. Natahorana ny toe-pahasalamany ary nentina nandritra ny adiny roa tany amin'ny hopitaly izy. Nisy gadra politika iray hafa ihany koa nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina mba ho...

Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle

  25 Febroary 2019

Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.

Iran: Dimy tapitrisa dolara ho an'ny tetikasa sivana vaovao

  24 Febroary 2019

Araka ny voalazan'ireo tranokalam-baovao maromaro, anisan'izany ny Roozonline, nilaza i Mahmoud Salarkia, izay tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitsaràna Iraniana fa dimy tapitrisa dolara no ampiasaina hamolavolàna fitaovana vaovao ho an'ny sivana