Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2018
Maoritania: Mpanao Gazety Iray Voasambotra, Tranonkala Mpampita Vaovao Iray Nosakanana Ary Fihetsiketsehana Iray Nofaizina
Nosamborina tamin'ny Alatsinainy 16 martsa 2009 i Abbass Ould Braham, maoritaniana iray mpanao gazety ety amin'ny Aterineto, noho ny lahatsoratra iray izay navoakany teo amin'ny vohikala Taqadoumy. Ny Taqadoumy.com no nitatitra ny vaovao mikasika ny fisamborana azy ary naverin'ireo vohikala maoritaniana marobe izy io.
Sivana ao Ozbekistan : Arakaraky ny Mampiovà Azy, Vao Mainka Ny Eo Ihany no Eo?
Niresaka tamin'i Oumida Akhmedova izahay nialohan'ny nahafatesan'ilay mpanao didy jadona Islam Karimov tamin'ny 2016. Mba nihatsara ve ny fiainan'ny mpanakanto hatramin'izay?
Tsy Misy Taratasy, Tsy Misy Jiro, Tsy Misy Vaovao: Mbola Mihamafy Hatrany Ny Fanarahamaso Ny Vaovao Ao Venezoelà
Taorian'ny fanakanana an'ireo vohikala misy vetaveta, nohamafisin'ny governemanta venezoeliàna ny fanarahamaso nataony an'ireo media mahazatra sy ara-tsosialy. Matroka ny hoavin'ny fahalalahana mahazo vaovao.
Manampahefana Iraniana misambotra ‘olo-malaza amin'ny Instagram’, mba hanamafisana ny fifehezana ny media sosialy
Raha nosamborina tamin'ny May 2018 ireo Iraniana mpisera Instagram malaza Maedeh Hojabri, Elnar Ghasemi, Shadab Shakib ary Kami Yousefi, nanambara dingana vaovao amin'ny ezaky ny fanjakana hifehy ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Instagram izany.
Tsy hoe miafina fatratra mandrakitra ny zavatra ataon'ireo mpiserasera izany ny fakàntsary amin'ny finday Shinoa
Ity endrika ity dia nanome fahatsapana mivaingana ho an'ny mpampiasa finday Shinoa mikasika ny fotoana sy ny fomba hanaraha-maso azy ireo.
Hampisy hantsana nomerika bebe kokoa eo amin'ny lahy sy ny vavy ity hetran'ny media sosialy ao Ogandà ity
Raha mba mihaino fotoana vetivety monja ny hiakan'ny vahoaka Ogandey -- izany nitabataba mafy sy mazava hatramin'ny nampiharana ilay hetra tamin'ny voalohany jolay -- moa ny mpikambana amin'ny parlemanta, ireo mpanolotsainan'ny filoha maro dia maro ary ny minisitry ny teknolojiam-baovao, dia efa nofoanany ity hetra ity.
Milaza ny Ogandey hoe #NoToSocialMediaTax fa manambaka ny vehivavy, ny tanora ary ny mahantra io
Milaza ny Ogandey hoe #NoToSocialMediaTax satria tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana izany ary mampitombo ny fahantrana, manao ho lasibatra ny tanora ary mampitombo ny hantsana nomerika.
#NoToSocialMediaTax: Miaraha amin'ny Global Voices hanohitra amin'ny alalan'ny tweetathon ny hetra fampiasana media sosialy ao Ogandà anio 9 jolay 2018
Maimaimpoana ny fahafahana fa tsy mila andoavan-ketra. Tohanan'ny Global Voices ny fanentanana #NotoSocialMediaTax ao Ogandà.
Netizen Report: Iza no manaraka? Mihabetsaka ny sivana sy ny fanenjehana ny fampahalalam-baovao ao Venezoelà noho ny krizy politika
Anoloran'ny Advox Netizen Report ny topimaso iraisampirenena amin'ireo fanamby, fandresena ary fironana misongadina amin'ny zo an'aterineto manerana izao tontolo izao.
Mpanao gazety Libaney voaheloka higadra tamin'ny fitsarana tsy natrehany, noho izy ‘nanala baraka” ny minisitry ny raharaham-bahiny tao amin'ny Facebook
An-tsesintany any UK, nilaza i Fidaa Itani fa manamarika ny fiafaran'ny vanim-potoana ho an'ny fahalalahana miteny ao Libanona ny sazy azony.