Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2018
Vaovao Diso Ezahan'ny Mpitsara Ao Brezila Sakanana Lasa Manome Fahefana Ho An'ny Facebook Hanao Sivana
Nanome baiko ho an'ny Facebook mba hamafa izay lahatsoratra rehetra ankehitriny manevateva ny "sary, voninahitra sy ny fiainana manokan'ilay" mpanao politika maty nisy namono Marielle Franco -- sy ny lahatsoratra ho avy tahaka izany ny mpitsara Breziliana. Mety hiteraka ohatra mampidi-doza ho an'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena izany.
Voasivana, Kanefa Tsy Mihemotra : Milaza Ireo Mpiasan'ny Fampahalalam-baovao Ao Kiobà Fa Tsy Hanova Matoandahatsoratra
Voasivana tao Kiobà ny gazetiboky anaty aterneto "El Estornudo" ka nanoratra taratasy misokatra ireo tonian'ny famoaham-baovao tao aminy, izay azon'ny rehetra vakiana ihany koa any amin'ny filazam-baovao hafa ao amin'ny faritry ny nosy.
Mitohy Ny Olana Momba Ny Fiarovana Lahatahiry ao India Tamin'ny Fivoahan'ny Raharaha Cambridge Analytica
Tonga tao India ny fiantraikan'ireo ampamoaka momba ny fampiasana tahiry nataon'ny Facebook sy Cambridge Analytica, izay ahitana ireo mpanao politika mifampiampanga amin'ny fikirakirana fitaovana mitovy amin'izany mba hanodikodinana ny fifidianana ao an-toerana.
Mandrahona ny Hanaisotra ny Fahefana Hiasa Ho Fampitam-Baovao Noho ny Famoahana ‘Vaovao Faikany’ ny Governemanta Indiana
Niteraka adihevitra amin'ny fanaraha-maso ny fampitam-baovao ny torolalana vaovao navoakan'ny minisitera federalin'i India mametraka fa mety ho votsotra ny fanomezana alalana hamoka vaovao raha tratra mampiely vaovao "faikany" na "manahirana".
Mitsikilo izay Ataon'Olom-Pirenena Shinoa ny Smartfinday sy ny Fahitalavitra amin'ny Alalan'ny ‘Sharp Eyes’
Amin'izao fotoana izao, ankoatra ny fitadiavana jiolahy, dia ampiasaina indrindra amin'ny famantarana sy fampandoavana onitra ireo mpiampita arabe eny amin'ny toerana tsy tokony hanaovana izany any an-tanandehibe ny rafitra Skynet mpialoha lalana ny Sharp Eyes
Manolotra Volavolan-Dalàna Mampiditra ny ‘Fanalam-Baraka Antserasera’ Ho Heloka Bevava ny Depiote Toniziana
"vokatry ny toetsaina te-hametra ny fahalalaham-pitenenana, mitaratra ny fanembonana ny fotoanan'ny jadona ity volavolan-dalàna ity".