Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Febroary, 2018
Nahemotra Ny Fitsarana: Fihetsiketsehana Rehefa Namoaka Ary Avy Eo Nampidirin'ny Fitsarana Tiorka Am-ponja Indray ny Lehiben'ny Amnesty International
"The court changed its mind... Why? Who knows, no grounds provided. Devastating for the family and an affront to justice." "Nanova ny heviny ny fitsarana ... Nahoana? Tsy misy mahalala ny antony. Fahaketrahana ho an'ny fianakaviana ary fanitsakitsahana ny rariny."
Nanomboka Tambajotra Ho Fiarovana an-Tserasera Ho An'ny Mpanao Gazety ny (DRF) Fikambanana Momba ny Zo Nomerika ao Pakistàna.
Ny tambajotra izay tena ahitana sotasota indrindra dia hita hoe ny Facebook ka ny fitarainana dia momba ny kaonty fako, ny fampiasana ireo vaovao amin'ny tsy tokony ho izy, ny imailaka mainty, ireo hafatra tsy iriana sy ireo kaonty na fitaovana voajirika.
Mitambatra Ireo Mpikatroka Nomerika Ao Myanmar Mba Hiaro Ny Zo Nomerika-n'ny Vahoaka Ao Amin'ny #DigitalRightsMM
Hatramin'ny taona 2011, niainga 2.5 isan-jato hatramin'ny 90 isan-jato mahery ny taham-pidirana amin'ny finday ao Myanmar, nitondra olom-pirenena an-tapitrisany tanaty aterineto satria niala ny didy jadona miaramila nankany amin'ny demokrasia lalàm-panorenana ny firenena .
Netizen Report: Afaka Mampiasa Ny Google Ve Ny Governemanta Ao Brezila Mba Hanodikodinana Ny Hevitry Ny Besinimaro?
Manolotra ny topi-maso momba ny fanamby , ny fandresena ary ny fironana vaovao amin'ny zon'ny Aterineto manerana izao tontolo izao ny Advox Netizen Report.
Asongadin'ireo Hetsipanoherana Ny Mety Ho Herin'ny Lalànan'i Iràna Momba Ny Fahafahana Mahazo Vaovao
Fotoana mety tsara izao mba hampiharana ireo ezaka mankany amin'ny mangarahara taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny Desambra sy Janoary tao Iràna. Tsy maintsy ny fampiharana tanteraka ny Lalànan'i Iràna momba ny Faafahana mahazo Vaovao no tsy maintsy dingana voalohany.
Mitaky Ny Rariny Ilay Olona Niharan'ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Sady Miatrika Fanehoan-kevitra Manavakava-bolonkoditra Ao Amin'ny Media Sosialy Tao Myanmar
Ny fanehoan-kevitra feno fankahalàna nanafika ilay nanao fitarainana noho ny endri-piaviany, ny volokodiny, ary ny mari-panondroana azy ara-poko no lasa nanjary nalaza kokoa noho ilay olana voalohany tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana.
Tonga Hatrany Amin'ny Oniversiten'i Shina Ny #MeToo ( Izaho Ihany Koa) Na Dia Teo Aza Ny Ezaky Ny Mpanivana Ny Aterineto
Taorian'ny volana maromaro nisian'ny sivana, nanery ny fifanakalozan-kevitra hisokatra ny fitantaran'ny mpianatra iray niparitaka be momba ny fanerana ara-nofo nataon'ny mpampianatry ny oniversite fanta-daza iray.
Nogadraina Ireo Mpanao Gazetin'ny Reuters Nitantara Momba Ny Ady Rohingya Ao Myanmar Noho Ny ‘Fahazoam-baovao Tsy Ara-dalàna’
"Raha matoky ny fanavaozana demaokratika i Myanmar, dia tsy maintsy manaiky ny zon'ny mpanao gazety hiasa malalaka sy hitatitra momba ireo lohahevitra izay tsy mampahazo aina an'ireo ao amin'ny fahefana."
Niezaka Nanafina Ny fanaony Mihaino Resaka An-tariby Ny Fitondrana Makedoniana Teo Aloha
Tamin'ny 19 desambra 2017 tao an-drenivohitr'i Skopje, nanambara fanadihadiana vaovao mifandraika amin'ny tantara momba ny fihainoana resaka an-tariby tamin'ny taona 2015 izay nanongotra ny governemanta mpandrendri-bahoaka nitondra an'i Makedonia nanomboka ny taona 2006 ka hatramin'ny 2017 ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana (SPO) .