Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jona, 2017
Mampitsahatra ny Tranokalan'ny Mpanivan'ny Fanjakana Rosiana Ireo Mpiady Anaty Akata Nomerika

Ny fomba namitahan'ny mpijirika ireo mpamatsy tolotra Aterineto tamin'ny nibahanany ny vohikala mpanivan'ny fanjakana.
Miray Hina Ireo Mpanao Gazety Ao Myanmar Hanohitra Ny Lalànan'ny Fanalam-baraka Antserasera
Mpanao gazety maherin'ny 100 tao Myanmar no nivorivory tamin'ny 6 Jiona 2017 tao Yangon, renivohi-pirenena, mba handamina ny fanentanan'izy ireo manohitra ny Fizarana faha- 66(d) momba ny Lalànan'ny Fifandraisan-davitra ao Myanmar.
Nandritra ny Taona Dimy, Mamerina Foana ny Antso Hamotsorana Azy ny Fianakavian'ilay Saodiana Bilaogera, Raif Badawi
Miriam, 10 taona, vao efatra taona monja fony izy nahita farany ny rainy : "Miezaka ny mitadidy anao aho. Ny feonao, ny fihinao, saingy tsy efako"
#FreeNassar (AvotsoryNassar): Nisambotra Mpianatra Iray Noho ny Zavatra Nosoratany Tao Amin'ny Facebook ny Manampahefana Palestiniana
Nokianin'i Nassar Jaradat ny manampahefana Palestiniana iray nilaza fa ny Rindrina Andrefana ao Jerosalema Atsinanana dia tokony "hijanona ho eo ambany fiandrianan'i Israely"
Rehefa Avy Nanao Fampielezankevitra Momba ny Fahalalahan'ny Aterineto, Dedaka Amin'ny Fanivànana Aterineto Ny Minisitra Iraniana Misahana Ny TIC
Nanambara ny Minisitra Mahmoud Vaezi misahana ny TIC hoe tena nanatsara tamim-pahombiazana tokoa ireo fomba fifehezana ny aterineto i Rouhani ary maro ireo sehatra nakatony
Tranonkala “Dindo” Manampy Ny Tiorka Ho Afaka Miditra Indray Amin'ny Wikipedia
Na mitoetra ho voasakana aza ilay sehatra, marobe ireo tranonkala "dindo" no noforonina -- tranonkala narafitra hamerina ireo votoaty avy ao amin'ny Wikipedia, izay tsy tapaka ampanarahana ny zavamisy.
Mpikatroka Tao Myanmar Iray Voaheloka Ho Nanao Fanalam-baraka Tamin'ny Fandefasana Mivantana An-Tserasera Tantara An-tsehatra Manesoeso Ny Tafika
"Nalefako mivantana izany mba ahafahan'ny namako mijery izany satria nandray anjara tao amin'ny tantara an-tsehatra ny zanako lahy. Tsy nieritreritra ny hanala-baraka ny tafika aho, " hoy izy nilaza tamin'ny fampitam-baovao.
Nolavin'ny Facebook “tamim-pahadisoana” Ny Sary Famantarana Ho Fahatsiarovana Ny Fandripahana Tao Tiananmen
Niala tsiny ny Facebook noho ny fandràrana "tamim-pahadisoana" ny fampiasana sary famantarana vonjimaika ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao amin'ny Kianja Tiananmen, izay natao tamin'ny 4 Jona 1989.
Tonian-dahatsoratra Maleziana Miatrika Fiampangana Heloka Antserasera Noho Ny Fandefasana Lahatsary Mitsikera Mpampanoa Lalàna
Mpiasa ambony ao amin'ny tranonkalam-baovao tsy miankina roa ao Malezia no miatrika fiampangana heloka antserasera noho ny famoahana lahatsary misy ilay mpanao politika mitsikera ny mpampanoa lalàna ao amin'ny firenena.
Nametraka Fanakatonana Aterineto Manerana Ny Firenena i Ethiopia
Tamin'ny 30 May tamin'ny 3 hariva, ora ao an-toerana, Nahita ireo Etiopiana fa tsy afaka niditra aterineto. Toa manerana ny firenena mihitsy ny fanakatonana.