Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Janoary, 2017
Nanokatra Tranonkalam-baovao ho Fiarovana ny Fahalalahan-Gazety ny Mpanao Gazety Zokiolona ao Hong Kong
Amin'ny fotoanan'ny korontana, tsy maintsy manavaka ny tsara sy ny ratsy isika; tsy maintsy mifikitra amin'ny zavatra mitombina isika rehefa misafotofoto ny fiarahamonina; tsy maintsy mihazona ny fizakantena amin'ny fomba matihanina isika ao anatin'ny tafio-drivotra.
Mandrahona Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Fanafenantsoratra Ny Lalàna Famaizana Vaovao Ara-Solosaina Ao Thailandy
"Ny fanomezana fahefana be loatra ireo manampahefam-panjakana mba hanao fitsarana manokana momba izay heverin'izy ireo ho fandikan-dalàna no fahadisoana lehibe indrindra tamin'ity fanitsiana ny volavolan-dalàna ity."
Ho An'ireo Mpampiasa Telegrama, Manamafy Ny Fahefan'ny Fanjakana Mitsikilo Ny Fitakiana Amin'izy ireo ny Fisoratana Anarana Ao Iràna
Telegram no fampiasa fandefasana hafatra malaza indrindra ao Iràna ary mampiantrano fantsona Iraniana mihoatra ny 170.000. Ny politika vaovao dia mitaky ny fisoratana anarana ao amin'ny fanjakana ho an'ireo tompon'ny fantsona malaza indrindra.
Inona No Anarana Fanome Ny Ankizy Any Meksika ?
Fantatrao ve fa misy Meksikana antsoina hoe " Christmas Day" na " Yahoo" ary -- mba hanaratsiana ny toe-javatra-- dia zimbazimbaina amin'ny aterineto ny fiainan'izy ireo manokana ?
Nanakatona Tranonkala Mamoafady Miisa 560 i Bangladesh
Firenena maro an'isa Miozolomana i Bangladesh, izay marobe ireo vahoaka naneho ny ahiahiny momba ny fiparitahana sy ny fanjifana sary mamoafady antserasera. Saingy [misy] demaokrasia ihany koa izy.
Mafana Fo Iray Nosamborina Noho Ny Fiampangàna Ho Nanompa Sy Nizara Lahatsoratra Momba Ny Mpanjaka Vaovao ao Thailand
Mpampiasa Facebook efa ho 2.500 no nizara ilay lahatsoratra, nefa ny polisy nisafidy mpikatroka mitaky ny famerenana amin'ny laoniny ny demokrasia any Thailand.
Iraniana Mpiaro Ny Zon'ny Sivily: Manohy Ny Fitokonany Tsy Misakafo, Manohitra Ny Nisamborana Ny Vadiny Noho Ny Fanoratana Tantara An'eritreritra
Nahatratra ny teboka faratampony ny fanentanana hamonjena ilay mpiaro ny zon'ny sivily Arash Sadeghi. Tao anatin'ny roa volana nanaovany fitokonana tsy misakafo, maro no manahy hoe ambivitra ny ain'i Sadeghi.
Shinoa iray Tomponà Media Sosialy Nahazo Loka, Notanan'ireo Manampahefana Ho Fanohizany Ny Fampanginana Ireo Mpiaro Zon'Olombelona
Ilay antsoin'ny fikambanana iray mpiaro zon'olombelona hoe"fitomboan'ny famoretana tsy itandroan'ny filoha Shinoa Xi Jinping hasasarana ataony amin'ny fiarahamonina sivily" no itazonana ilay mpanorina ny tranokalam-baovao Shinoa an'olontsotra
Tatitry Ny Mpiserasera: Nahatratra Haavo Vaovao Ny Fandrahonana Ny Fiarahamonim-pirenena Any Makedonia, Ejipta
Manome topimaso iraisam-pirenena amin'ireo fanamby, fandresena, ary fironana vaovao eo amin'ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny tatitry ny mpisera ao amin'ny Global Voices Advocacy
Manaratsy Ny Fiarahamonim-pirenena Ny Fanafihana Ireo Mpiaro ny Zon'olombelona — Sy Ny Fandrosoan'i Arabia Saodita
Ny famoretana mitohy ny fikatrohana am-pilaminana ao Arabia Saodita dia hoe fotsiny manorotoro ireo fianakaviana sy tsy manome ireo mpikatroka ny fahalalahany sy ny zony fototra, fa manaisotra ihany koa tsy ho ao amin'ny firenena ny asa sy ny fahaizana mamoronan'ireo reformista mamirapiratra sy manan-talenta ao aminy