Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2014
Inona no Tokony ho Fantatry ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Hong Kong (sy ny any An-kafa) Momba ny FireChat
Manazava amin'ny mety hampidi-doza amin'ny fampiasana ny FireChat ny manampahaizana manokana roa momba ny fiarovana an-tserasera -- ary manolotra torohevitra tsotra vitsivitsy amin'ny fiarovantena nomerika rehefa ao anatin'ny tontolom-panoherana.
Manamafy Ny Fitaovam-pifandraisan'Izy Ireo Amin'ny Finday Ny Mpanao Fihetsiketsehana Ao Hong Kong Manoloana Ny Fandrahonana Ara-teknika
Miara-miasa ny mpikatroka sy ny manam-pahaizana momba ny fiaroana mba hamaritra izay fitaovam-pifandraisana afaka ampiasaina sy hanampy ireo mpanao fihetsikesehana -- sy izay tsy hampidi-doza azy ireo.
Iza No Milaza Hoe Afaka Manapaka Ny Google Ianareo? Shinoa Iray Mitory Ny Telco Ary Mangataka Valiny
Mafy tànana ny governemanta Shinoa raha miresaka ny votoaty miseho ao amin'ny Aterineto. Fa manampahefana iza marina ao amin'ny governemanta no nametraka ny politikan'ny fanivanana ao amin'ny Aterineto? Nisy fanenjehan'ny olom-pirenena ny China Unicom any amin'ny fitsaràna mba hitadiavana valinteny.