Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2012

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

  14 Novambra 2012

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa...

Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto

  13 Novambra 2012

Mandrindra ny fisoloana vava ho amin'ilay valan-dresaky ny International Telecommunication Union atao tsy ho ela ireo mpampiasa aterineto eran-tany, izay hanapahan-ireo mpikambana ao amin'ny fanjakana hevitra na tokony handrakotra ireo olana mikasika ny politikan'ny Aterineto—ireo antontan-taratasy mikasika ireo fifanekena izay tafavoaka aty ivelany, isan'izany ireo soso-kevitra amin'ny fampanarahan-dalàna eran-tany izay mety hametraka fetrany amin'ny tsiambarantelo anaty aterineto, ny fahalalahana miteny, ny fahahafahana hahazo fampahalalam-baovao sy ny ny fampiasàna ny ICT eran-tany— ny ITU. Fantaro ny fomba ahafahanao mandray anjara anatin'io ezaka io.

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

  10 Novambra 2012

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

Mpisiokan-tseratsera efatra no indray nosamborina tany Bahrain

  02 Novambra 2012

Araky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany any Bahrain dia “olona efatra no indray nosamborina noho izy ireo nampiasa vilana ireo Tambajotra Sosialy.” Raha vakiana anefa ny tatitra [en] dia tsy tena mazava loatra izay heloka anaovana fanoavana azy ireo – “fanalam-baráka olona sangany amin'ny alalan'ny Tambajotra Sosialy.” Ireo Mpisiokan-tseratsera Ali Al-Haiki, sy Abdullah Al-Hashimi, sy Ali Mohamed ary Salman Abdullah...