· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Fahafolo taona tamin'ny Aogositra, 2019

Filazàna tantara, mamolavola ny mahaolona ny vahoaka

Blaogim-Piarahamonina GV  22 Aogositra 2019

Nivelatra be tamin'ny zava-baovao maro ny tontolom-blaogy Venezoeliana. Toerana sarotra vakiana, mazava ho azy, fa feno tantara maro hotantaraina. Tadidiko ihany koa ny hasosorako tamin'izany fotoana izany, tsy noho ny adihevitra ara-politika tany amin'ny haino aman-jery irery ihany, fa koa tamin'ny fandrakofana ny kolontsaina izay tena zava-dehibe tamiko foana hatrizay.