· Jolay, 2019

Tantara mikasika ny Fahafolo taona tamin'ny Jolay, 2019

Fifidianana sy Kolontsaina

Blaogim-Piarahamonina GV  25 Jolay 2019

Tiako mba hankalaza ny faha-10 taonany ny Global Voices. Andrasako amim-panantenana ny hahita ireo sary rehetra sy handre ireo kinangananga avy amin'ny Fihaonambe manaraka. Ho eo am-panahy aho miaraka aminareo rehetra!

Mamisoa Isabelle Raveloaritiana: Nivady izahay noho ny Global Voices

Blaogim-Piarahamonina GV  24 Jolay 2019

"Niova ny ampahany tamin’ny fiainako hatramin’ny nidirako tato amin’ny vondrom-piarahamonina. Noho ny Global Voices no nahitako ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra, ny fizarana hevitra, izay nanosika sy nandrisika ahy hamorona ny bilaogiko amin’ny teny Frantsay sy Anglisy ary amin’ny teny Malagasy ; nahitako ny sila-panahiko." hoy Mamisoa Isabelle Raveloaritiana nanoratra.

5 taona niarahana tamin'ny GV

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jolay 2019

Nahatsapa ho maivamaivana handray anjara ao anatin'ny GV araka ny fahafahako sy izay hetahetako: Ady amin'ny fanavakavahana, ho an'ny zon'ireo LGBT, mba hisian'ny politika andraisan'ny rehetra anjara misimisy kokoa, ary fomba fijey manaraka vaninandro ananan'i Eorôpa momba an'i Brezila. ..Tiako ireo mpiray tanindrazana amiko mba hanana fomba fijery hafa!!

Faha-10 taona

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jolay 2019

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2014) Araka izay efa ahazoanareo sary an-tsaina azy, tena rempotra be mihitsy aho izao amin'ny asako ikendreko hanentana ho fampitomboana ny fahatongavantsain'ireo Gineàna bilaogera hafa amin'ny zavamisy sy ny tena maha-saropady ny Ebola. Noho izay indrindra, tsy hanao afa-tsy ny handika sy hametaka hafatra...

Lohataona : Ny nahasarihan'ny arabo ny saiko

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Jolay 2019

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2014) Somary hafahafa ihany ny namaky imailaka iray nanasa ahy hanoratra zavatra momba izay nihaonako voalohany tamin'ny GV. Hafahafa noho ny antony ara-potoana. Vao omaly monja, ary tampoka teo, mbola nikatro-doha aho, niezaka ny nitadidy ny fomba nahafantarako ny fisian'ny GV. Tena tsy vitako,...

Gulnara Yunusova: Ny roa taonako tato amin'ny GV

Blaogim-Piarahamonina GV  20 Jolay 2019

Raha fehezina, dia azo lazaina tsara fa nihoatra noho ny nantenaina ny traikefako tamin'ny GV.  Rehefa nidiitra ho mpikambana aho, dia nihevitra fa resaka lahatsoratra izany - kanefa toa hita fa fifaneraserana amin'ny olona marobe ihany koa izany.

Hitady ahy!

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jolay 2019

Nianatra zavatra betsaka avy amin'ny tsirairay teto aho! Tsy ho ampy ny fisaorako ny rehetra! Tena manana lanja be amiko ny GV satria ny GV koa no nahafantarako ny tenako ! Tiako daholo ianareo !! Indrindra fa ny TARIKA GV PAKISTANA misy ahy!!

Kevin Rennie: Avy eo an-toerana mankany amin'izao tontolo izao

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jolay 2019

Gaga aho raha nieritreritra fa tsy hahaliana ireo firenena hafa niharan'ny horohoron-tany, ny tsunamis izay namono olona an'arivony na an'aliny ny loza mitranga ao aminay. Vao maika gaga be raha nahita fa iray amin'ireo lahatsoratra malaza indrindra tamin'ny taona ny ‘Aostralia: Doro-tanety nandrava an'i Victoria’ .