Tantara mikasika ny Khmer
Kambodza: Fimailo tsy maintsy ampiasaina ary famoretana manoloana ny fivarotantena
Nampiasa ny Aterineto mba hampahafantarana ny toe-piainany sy ny ady atrehany hitakiana ny zony ireo kambodziana mpivarotena.
Kambodza: Niteraka Resabe Ny Andron'ny Mpifankatia
"Araka ireo vokatry ny fanadiahadiana, 12.4 isanjaton'ireo namaly no nilaza ho miandrandra fa afaka ny hanao firaisana amin'ny Andron'ny Mpifankatia, ary maherin'ny 14.3 isanjaton'ireo tanora efa manana olon-tiana no namaly fa miandrandra ny hanao firaisana amin'ny olon-tiany amin'io andro io ihany koa, ary mpifankatia vitsivitsy no mieritreritra ny tsy hampiasa fimailo....
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Ireo Fanambin'ny Fiainana Any Ambanivohitra Atao Tahirinkevitra
Mizara ireo tantaran'ny mpiasan'ny fanenoman-damba, mpianatra any amin'ny sekoly ambanivohitra sy ny fanadiovana renirano ao Phnom Penh ny tetikasa Cloghers (Bilaogera vehivavy) avy ao Kambodza, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook
Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza koa ireo antoko politika mba hisarihana ireo tanora mpifidy. Niaiky ny fahadisoany tamin'ny fanambarany vao haingana i Moses Ngeth, mpikatroka...
Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly
Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...
Resadresaka Niarahana Tamin'i Chanphal Sok: Mpanoratra sy Mpamoron-kira Kambojiana
Namakivaky ny onjam-piainana teny, nivezivezy tetsy sy teroa i Chanphal Sok toy ny zazakely niaraka tamin-dreniny mba hahita ny foto-piveloman'izy ireo. Nanoratra momba ny fiainana sarotra nodiaviny teo anelanelan'ny faritra Kampong Cham sy ny faritra Kratie tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Khmera i Chanphal, nampiasa bilaogy izy mba hanoratra bebe kokoaliteratiora, tantara...
BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza
Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany. Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika. Tahaka ny BarCamps rehetra...
Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona
Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy
Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.