Tantara mikasika ny Kazakh tamin'ny Oktobra, 2012
Mandrisika ny Kazaka Hiteny ny Tenindrazany Ilay Mpihira Italiana
Nanjary nalaza tany Kazakstana i Son Pascal, mpihira Italiana sy mpamoron-kira, noho ny zotom-pony namporisika ny Kazaka hiteny ny tenindrazany. Manambara ny fitiavany ny zavatra Kazaka rehetra i Pascal tao amin'ny dinidinika fohifohy niarahana tamin'ny Global Voices Online.