Tantara mikasika ny Hindi
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.
Olan'ny lasantsy ao India: Enta-mavesatra roa amin'ny fiakaram-bidiny sy ny fitomboan'ny Tinady
Satria miakatra ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoala, dia mitombo koa ny tinady, saika mitarika amin'ny fiakaram-bidim-piainana tokoa, fanampin'izany ny vesatra ara-bolan'ny vahoaka noho ny tsy fananana asa sy ny valan'aretina.
Sarimihetsika Indiana azo asolo: Nanaiky ihany ny handray ny fahasamihafàna ara-kolontsaina ve ny Netflix?
Netflix, izay lasa toerana fialamboly tsy maintsy lalovana ho an'ireo olona an-tapitrisa nandritra ny fihibohana lavabe nateraky ny valanaretina, dia mitrandraka famokarana vaovao any India, miala amin'izay efa nahazatra ny maso hatrizay.
Niteraka fanehoan-kevitra maro ny fisamborana an'ilay mpikatroka ara-toetrandro Disha Ravi noho ny “fitaovam-pitolomana”
Hetsika fikomiana eto amin'ity firenena ity ny fanitsiana Google Doc ho fanohanana ny tantsaha amin'izao fotoana izao.
Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto
Tamin'ity taona ity, miatrika krizy henjan'ny loto ny faritry ny renivohitra nasionaly Indiana satria tsy voafehy intsony ny zavona manempotra ary mandrakotra ny renirano Yamuna, izay efa tena maloto loatra, ny roatra misy poizina.
Anatin'ny fibahanana ny aterineto ao Kashmir: Tatitra an-dahatsary niarahana tamin'ireo Kashmiri mpianatra idonan'ilay krizy
Anatin'ny fanapahana tanteraka ny aterineto ao amin'ny faritra no hiatrehan'ireo 48.000 mpianatra amin'ny kolejy ao Kashmir ny fanadinam-panjakana
‘Tsy hifidy izahay raha tsy vita ny làlana': hetsika tsy fankatoavana sivily any amin'ireo faritra any India
Nanosika ny Goans hanao ankivy ny fifidianana Lok Sabha ao amin'ny tananakelin'i Marlem any amin'ny fanjakana Indiana any Goa ny lalan-dratsy, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ary ny tsy fisian'ny famatsiana herinaratra.
India, Mafotaka ny Adin'ny Tenifototra Mialoha ny Fifanandrinan'ireo Kandidà Amin'ny Fifidianana Ho An'ny Lohataona 2019
Ahitana teny filamatra sy valinkafatra henjana ary tantara maro ny fampielezankevitra politika, satria hanao fifidianana ilay demokrasia goavana indrindra eto an-tany ny 11 Aprily ka hatramin'ny 19 Aprily 2019.
Ao India, lahatsary iray mitondra fanairana ny amin'ireo ankizy mararin'ny donika
Nahatonga ny fitsaboana ny ankizy ny lahatsary iray mitatitra ny fielezan'ny donika ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra iray ao Uttar Pradesh.
Lahatsary : India, “Slumdog Millionaire” sy ireo tanàna farahidiny
.Ela ny ela, inty ny sarimihetsika iray tsy mandokandoka ireo vohitra ao amin'ny farany lalina ao India ho toy ny toerana «tsara tsy fahita firy» no sady tsy mampiseho ireo ankosotra sy zavatra atentina izay tsy mahakasika afa-tsy ampahany kely dia kely amin'ireo indiàna mpanarivo, nefa nofinofisin'ny rehetra