Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Febroary, 2017
Côte d'Ivoire : An-dàlana Ny Fanavaozana Tena Ilaina Ao Amin'ny Tafika
Miverimberina foana ny resaka mikasika ny fitakiana ara-pitaovana ataon'ny tafika nanomboka tamin'ny fialan'i Côte d'Ivoire taminà ady sivily naharitra folo taona, tamin'ny 2011.
Mampihena Ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao Ve i Tonizia?
Tamin'ny taona 2016, nampiditra lalàna momba ny fahazoam-baovao i Tonizia, saingy mbola voafetra ny fampiharan'ny governemanta izany.
Djibouti : Ho Toerana Hanehoana Ny Fifanandrian'i Trump sy Shina ve ?
Lasa sehatry ny ady ara-toekarena tanteraka ifanaovan'i Washington sy Pekin koa ny tanibe afrikana
Ady Amin'ny Vaovao Tsy Marina, Olana Tsy Azo Atao Ambanin-javatra amin'ny Fifidianana ho Filoham-pirenena
Tsy asa mora ny manavaka ny vaovao marina sy ny tsy azo antoka
Nitombo Avo Roa Heny ny isan'ny Tranonkala Voabahana Na Nesorina Anaty Lisitra Fikarohana ao Frantsa Tato Anatin'ny Herintaona
Tranonkala maherin'ny 2700 tamin'ny 2016 no namoahan'ireo manampahefana didy fibahànana, mba hiadiana amin'ny "fanaovana vetaveta amin'ny ankizy sy ny votoaty mihantsy asa fampihorohoroana".
Mety Hiatrika 25 Taona An-tranomaizina Ilay Bilaogera Alzeriana Merzoug Touati Noho Ny Antsafa Nataony Tamin'ny Manampahefana Israeliana Tao Amin'ny YouTube
Niampanga an'i Merzoug Touati, bilaogera, tamin'ny "fanomezam-baovao fitsikilovana ho an'ny firenen-kafa", tao amin'ny lahatsarin'ny antsafa nalefa ho an'ny daholobe izay nifanaovany tamin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Isiraeliana ny manampahefana Alzeriana.