Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Novambra, 2016
Mahalala Tsara kokoa an'i Madagasikara: Ny Valan-javaboarim-pirenena Tendrombohitr'i Ambra
Ny valan-javaboarim-pirenena ao amin'ny tendrombohitr'i Ambra dia 40 kilaometatra miala atsimon'i Diego Suarez, any avaratr'i Madagasikara. Mandrakotra velarantany maherin'ny 23.000 hektara ny ala tropikaliny mandomando..
Ilhan Omar, Mpitsoa-ponenana Somaliana Teo Aloha, Voafidy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpisolontena Any Etazonia
Manolotra an-dRamatoa Ilhan Omar, miozolomana manana fiaviana Somaliana izay nahatonga ny fihetseham-po tamin'ny fifidianana amerikana tao amin'ny tranonkala Africa News, ilay bilaogera Carole Kouassi .Tamin'ny talata, izy no vehivavy Somaliana sady miozolomana voalohany voafidy tao amin'ny Biraon'ny Mpisolontena ao Etazonia ..
“Manisaka ny Fanahin'i Madagasikara, ny Mponiny, ny Vovonan'ny Frankôfônia”
Mandany volabe i Madagasikara amin'ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, fa miaina ao anatin'ny fahatrana hatrany ny vahoaka.
Ahoana no Fomba Hiarovana ny Fomba Nentin-drazana sy Hampitàna Izany Amin'ireo Tanora Maliàna Amin'ny Alalan'ny Aterineto
"Ny tanjona tratrarinay dia ny hitahiry sy hampiroborobo ireo lovan'ny kolontsaina manankarenan'ny maliàna, ny teny, ny hita maso sy ny tsy hita amin'ny alàlan'ny Teknolojia Vaovaon'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana"
Vao 7 Taona, Namoaka ny Bokiny Voalohany Ilay Ankizivavy Afrikana Tatsimo Michelle Nkamankeng
Ny "Miandry onja" dia milaza ny tantaran'ny zazavavy miala sasatra miaraka amin'ny ray aman-dreniny any amoron-dranomasina. Boky voalohany amin'ireo andiany efatra ny boky.
Notànana Vonjimaika Ny Mpanao Lahatsary Iray Ao Frantsa, Misongadina ny Fomba Hafahafa Ampiasan'i Frantsa Ny Fahamehana
Voahelingelina amin'ny asany amin'ny tsy fahazoana miditra ao Calais intsony ny mpanorina ny tranonkala Taranis News, tranonkala miompana manokana amin'ny lahatsary mivoaka avy amin'ireo fihetsiketseham-panoherana misy ao Frantsa.
Monténégro : Vao Maika Niteraka Fanontaniana Bebe Kokoa Fa Tsy Valiny Ny Fifidianana Solombavambahoaka Farany Teo
69 isanjaton'ny Monténégrins no tsy mankasitraka ny zavabitan'ny governemanta eo amin'ny fitantanana ny toekarena, raha tsy matoky ny governemanta sy ny parlemanta kosa ny 50 isanjaton'izy ireo.
Lalàm-panorenana Vaovao Ho An'i Côte d’Ivoire
Manavao ireo andrim-panjakana Ivoariana ilay lalàna vaovao, ary manao ho fanamby ny hiainana miaraka ao anaty firenena iray izay voazarazaran'ny fifampiandanian'ireo foko sy finoana.
Free Basics, Tetikasan'ny Facebook Amin'ny Aterineto Maimaim-poana, Ary Efa Misy Ao Amin'ny Firenena Miisa 47
Ny Free Basics dia vokatry ny fiarahamiasa teo amin'ny Facebook sy ny orinasan'ny teknolojia finday izay hahafahana miditra aterineto maimaim-poana saingy voafetra.
Mihanaka Ao Maraoka ny Fihetsiketsehana Taorian'ny Fahafatesana Feno Herisetra Nahazo ilay Mpivarotra Trondro
Niteraka fihetsiketsehana manerana ny firenena, Maraoka ny fahafatesana feno herisetra nahazo ilay mpivarotra trondro voahitsaky ny kamiao mpanary fako.