· Marsa, 2011

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Marsa, 2011

Tonizia: Voaraoka ny Minisitry ny Atitany, Tezitra ny Bilaogera

Tafintohina ireo bilaogera Toniziana tamin'ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany vonjimaika Farhat Rajhi androany.Tamin'ny fihetsika tsy nampoizina, dia nosoloina an'i Hbib El-Seed izy. Nandritra ny fihetsiketsehana izay namely ny firenena ny tapaky ny volana desambra tamin'ny taona lasa, niventsoventso ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Minisitera mpampihorohoro ny Minisiteran'ny Atitany.” Raha voatendry...

Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary

  28 Marsa 2011

Fa iza moa ireo  Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay fanadihadiana, Libalel, no manasongadina ireo mpanakanto toa an'ilay Libane mpamokatra lahatsary Ziad Antar. Ziad Antar dia teraka tamin'ny 1978 tao Saïda...

Madagasikara: resaka taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao

  28 Marsa 2011

Ny mpamaham-bolongana Thierry Andriamirado no nanome ny lisitr'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta fao najoro indray eto Madagasikara [fr] araka izay nanononana azy tao amin'ny radiom-pirenena.  Ny mpamaham-bolongana politika Ndimby kosa nanome ny famelabelarana momba ny firafitr'ity lazaina ho governemantan'ny fampiraisam-pirenena ity sy ny mety hisian'ny faneken'ny fiarahamonina iraisampirenena ny fitondram-panjakana...

Ny mpandika teny Global Voices : Jean Saint-Dizier

  24 Marsa 2011

Maro ireo mpandika lahatsoratra (an-tsitrapo) an'ny Global Voices amin'ny teny frantsay no manao izany amin'ny fahafinaretana, amin'ny fitiavana vaovao sy ho an'izao tontolo izao, ary mananaraotra ihany koa mba ho tafita amin'ireo firenena maro samihafa ny dika atao amin'ny vaovao amina bilaogy. Saingy ato amin'ny fikambananay mpandika miteny frantsay ,...

Haiti : Ny mpihira sa ny mpampianatra?

  22 Marsa 2011

Araka ny vaovao ao amin'ny Twitter momba ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filoha am-pirenena androany ao Haïti, filaharan-be tao amin'ny birao fifidianana, tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana ireo mpifidy tao amin'ny Lycée Petion sy tao amin'ny Lycée Croix des Bouquets , toe-javatra izay efa nahatonga olàna tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny...

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.

Tonizia : Tsy nankasitrahana ny fitsidihan'i Hillary Clinton

Fanadihadihana manokana mikasika ny Tonizia taona 2011 ity lahatsoratra ity. Tao anatin'ny roa volana izay naha-voaongana ny Filoha Toniziana teo aloha Ben Ali noho ny fihetsiketseham-panoherana revolisionera, tsy latsaky ny 4 ireo tompon'andraikitra Amerikana tonga tao Tonizia : ny sekreteram-panjakana mpanampy ho an'i Afovoany Atsinanana (Moyen-Orient) Jeffrey Feltman, ny sekretera...

Côte d’Ivoire : Horohoro ao Abidjan.

  21 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana nataon'ny Global Voices tamin'ireo zava-nitranga tao Côte d'Ivoire taona 2011 (amin'ny teny malagasy; misy amin'ny teny frantsay koa ny ankamaroan'ny lahatsoratra) Niaina ireo herisetra nisesisesy  alohan'ny nisian'ny ady anaty akata izay niainany nandritra ny andro vitsivitsy i Abidjan, fanafihana ireo fonenan'olo-tsotra izay fahavalo politikan'i Laurent...

Senegal: 19 Martsa, Andron'ny Hetsika

  19 Marsa 2011

Mitsoka manerana an'i Maghreb sy Atsinanana Afovoany ny rivotry ny fikomiana. Maneho ny tsy fifaliana amin'ireo firiorion'ny governemantany ny mpanohitra. Voafidy ho daty hanaovana ireo fihetsiketsehina ao amin'ny firenena ny 19 Martsa 2011.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr